Ny Fitoriana ny Filazantsara
Mofonaina anio: Zoma, faha 31 Oktobra 2025
Sal. 107. 1-3 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 310
Jaona 11,47 - 53
47 Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro. 48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika. 49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin'izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona, 50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity. 51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin'izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena; 52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak'Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. 53 Koa hatramin'izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.Jaona 11. 47-53
Ny fitoriana ny Filazantsara
1- Natao ho an’ny olona rehetra
« …Fa satria mpisoronabe tamin’izany taona izany izy, dia naminany fa Jesoa ho faty hamonjy ny firenena; » (and. 51)
Kaiafa mpisoronabe dia iray amin’ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona., Natahotra ny Romana noho ny fanarahan’ny olona an’i Jesoa. Nivory ny Synedriona I Kaiafa kosa nilaza fa i Jesoa no mpamonjy ny firenena rehetra. Naminany ny amin’i Jesoa Kristy izy. Hain’Andriamanitra ny manetsika ny olona samihafa, eny fa na dia ny olona heverina ho mpanohitra an’i Kristy aza, mba hitory Filazantsara amin’ny hafa. Tsy ny olona heverina ho mahalala ny Filazantsara ihany no ampitenenin’ Andriamanitra momba ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, fa ny olona izay tsy mankamamy Azy ihany koa.
2- Mitondra famonjena
« …Ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray. » (And. 52)
Ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy dia mitarika ho amin’ny fanangonana ireo vahoaka Jiosy any ivelan’ny Palestina, ireo Jiosy-Samaritana, ary ny Jentilisa. Mampiombona ny olona samihafa firenena ny famonjena vitan’i Kristy. Andraikitry ny mpitory Filazantsara ny manambara amin’ny olona fa ny famonjena nataon’i Kristy dia natao ho an’ny olona rehetra. Tsy anavahana sokajin’olona ny famonjen’ i Kristy. Fa ny andrasana amin’ny olona mandre ny Filazantsara kosa, dia ny hananany finoana an’i Jesoa Kristy. Ambarao ny olona rehetra izany.
Fanontaniana:
Ahoana ny itoriana filazantsara ao anaty fanenjehana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe