Ny olona manaiky hamonjy ny hafa
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Oktobra 2025
Sal. 84. 4-7 / Hira 16 1, 2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471.4
Josoa 2,17 - 24
17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany: 18 Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; 19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny rĂ ny, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny rĂ ny, raha tĂ hiny misy olona maninona azy akory; 20 fa raha tĂ hiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. 21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankely ilay kofehy jaky. 22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lalana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita. 23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy, 24 ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.Josoa 2. 17-24
Ny olona manaiky hamonjy ny hafa
1- Manome toromarika azy
« Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io… »(And. 18). Nafehy teo amin’ny varavarankely ny kofehy jaky namonjen’i Rahaba azy roalahy dia tsy handringana azy sy ny mpianakaviny ny Zanak’Isiraely. Raha izany, ny Kristiana dia manana famantarana hita maso mitondra famonjena ho azy sy ny ankohonany. Ny hazofijaliana sy ny tena sy ran’i Kristy no famantarana mitondra famonjena. Rehefa eken’ny olona ny handray an’i Kristy ho tombokase sy famantarana eo amin’ny fiainany dia hovonjena izy sy ny ankohonany. Koa raiso Jesoa Kristy dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
2- Manambara ny fepetra
« …fa raha tahiny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin’ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. » (And. 20). Fepetra manafoana ny fianianana nataon’ny mpisafo tany roalahy tany Jeriko tamin’i Rahaba ny filazana ny paikady hataon’ny Zanak’Isiraely hakana ny tany. Araka izany, fepetra ahafahana misitraka ny famonjena ny fankatoavana ny fanekena. Amin’ny fotoana izay ialan’ny olona amin’ny fankatoavana ny fepetran’ny fanekena, dia ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia mifarana hatreo ihany koa ny famonjena tokony ho an’izany olona izany. Tehirizo amin’ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy dia hovonjena hianao.
Fanontaniana:
Inona no antony mahatonga ny olona hiala amin’ny finoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe