Ny mpianatra mañana fifalian’i Kristy
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Oktobra 2025
Sal.34.1-3/ Hira788 1, 2/ Vavaka/ Mofonaina/Vavaka/HF 16
Jaona 15,11 - 16
11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. 16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.Jaona 15. 11-16
Ny mpianatra manana fifalian’i Kristy
1- Mifankatia araka an’i Kristy
« Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. » (And. 12). Didy sy baiko no omen’i Jesoa Kristy ny mpianatra. Fitiavana mitohy fa tsy miserana ihany. Fitiavana tsy amin’ny fihetsehampo fotsiny ihany fa aseho amin’ny asa sy atao mihitsy izany. Fitiavana mahafoy ny sarobidy indrindra, eny, hatramin’ny aina mihitsy aza. Izany no modelin’ny fitiavana takian’i Jesoa Kristy amin’ny mpianatra. Koa satria baikon’i Kristy, izay rehetra manaiky ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy mifankatia. Rahateo, ny fitiavana dia iray amin’ireo asan’ny Fanahy. Noho izany, ny olona itoeran’ny Fanahy Masina dia tsy maintsy tia ny namany araka ny nitiavan’i Kristy antsika. Ekeo hiasa ao anatinao ny Fanahy.
2- Miasa araka ny fifidianan’i Kristy
« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa… » (And. 16). Jesoa Kristy no mifidy mpianatra mba hiasa ho Azy sy handray famonjena. Jesoa Kristy no nanao dingana voalohany, ary ny olona mamaly izany fifidianana azy izany. Ka ny olom-boafidy dia mpiara-miasa, mpamokatra, manana vokatra tsy mety tapitra ho an’i Jesoa Kristy. Araka izany, ny mpino mpianatr’i Jesoa Kristy dia nofidina haka tahaka ny nataon’i Kristy amin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra, amin’ny fanaovana sorona ny tena ho an’ny fanjakan’ny lanitra mba hahatanteraka izay nanirahan’ny Ray Azy.
Fanontaniana:
Vokatra manahoana no antenain’ny Tompo aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe