Ny famoriana vokatra ho Anny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 10 Oktobra 2025
Sal 134 / Hira 471.1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 36.1.3
Asan'ny Apostoly 14,19 - 28
19 Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanĂ na, satria nataony fa efa maty izy. 20 Fa nony nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy ka lasa niakatra tao an-tanĂ na. Ary nony ampitso dia niala tao izy sy Barnabasy ka nankany Derbe. 21 Ary rehefa nitory ny filazantsara tamin'izany tanĂ na izany izy ka nahazo mpianatra maro, dia niverina nankany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia indray izy, 22 nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 23 Ary rehefa nanendry* loholona** teo amin'ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ka dia nanolotra azy ho an'ny Tompo Izay efa ninoany. [* Na: nampananga-tanana nifidy] [** Gr. presbytera] 24 Ary rehefa nandeha namaky an'i Pisidia izy, dia tonga tany Pamfylia. 25 Ary nony efa nitory ny teny tany Peryga izy, dia nidina nankany Atalia. 26 Dia niondrana an-tsambo niala teo izy hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin'ny fahasoavan'Andriamanitra ho amin'ny asa izay novitainy. 27 Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa. 28 Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.
Asan’ny Apostoly 14. 19-28
Ny famoriana vokatra ho an’ny Tompo dia:
1- Isedram-pahoriana
Ny fitoriana ny filazantsara dia ahitana fifaliana, nefa koa isedrana olana samihafa. Anisan’ny niharan’izany matetika i Paoly Apostoly, noho ny fahamarinan’ny filazantsara izay nambarany. Ny fiovam-pon’i Paoly sy ny famonjena noraisiny dia tsy midika hoe antso hitory ny filazantsara fotsiny ihany, fa hiaritra fijaliana ho an’i Kristy ihany koa. lo no marika famantarana ambony indrindra ny fankasitrahan’Andriamanitra (and 22). Jesoa Kristy koa dia efa nilaza hoe « Sambatra ianareo raha haratsian’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra, hitenenany lainga anareo noho ny Amiko, mifalia sy miravoravoa hianareo fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra… » (Mat 5.11-12)
2-Itetezana toerana maro (and 20-26)
Tsy mba nipetrapetra-potsiny i Paoly fa nitety toerana maro: Derbe, Lystra, Ikonioma, Antiokia, Pisidia, Pamfilia, Perge, Atalia. Tsy voatery ho amin’ny toerana iray ny asa. I Jesoa dia niteny hoe mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra (Mar 16.15). Ny fitetezana toerana maro dia ahazoam-bokatra betsaka.
3-Tsy maintsy ijoroana ho vavolombelona (and 27-28)
Nambaran’i Paoly tamin’ny Fiangonana tao Antokia izay rehetra nataon’Andriamanitra taminy sy tamin’izay rehetra nomba azy. Tsy maintsy mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy izay rehetra mino Azy, mba hahavonjy ny hafa koa. Ny mpamory ny vokatra dia tokony tsy ho kivy, mampahery mandrakariva ny tompon’ny vokatra.
Fanontaniana:
Anisan’ny nirahin’ny Tompo hamory vokatra ianao. Ahoana ny faharetanao tamin’izany?
Sampana Sekoly Alahady Foibe