Andriamanitra dia

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 04 Oktobra 2025

Sal 100 / Hira 514: 1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 349

Mpitsara 2,1 - 5
1 [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay; 2 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao? 3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny. 4 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany. 5 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima*; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]

 

Averin’ Andriamanitra ampahatsiahiavina matetika ny nanafahany ny zanak’Israely teo ambany fanandevozan’ny Egyptiana, sy ny fampanantenana nataony momba ny tany Kanana. Amin’ny alalan’ny Anjelin’i Jehovah no anehoany izany eto, izay manondro indrindra an’i Jesoa Kristy. Tsy mamela ny olony ao anaty fahoriana Andriamanitra. Tsarovy izay efa nataon’ny Tompo taminao, fa maneho ny fitondrany sy ny fitiavany ireny.

Rehefa avy nilaza ny maha-Andriamanitra mihazona ny fanekeny Azy ilay Anjelin’i Jehovah dia nampahafantariny ny Zanak Israely fa izy ireo dia tsy nahatoky, nivadika taminy. Nasaina niady tamin’ny Kananita izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Josoa; noraran’ Andriamanitra tsy hanao fanekena sy handrava ny alitaran’ny Kananita ny Israely. Tsy nataony anefa izany ka nahatonga an’Andriamanitra nanao hoe « koa inona moa izao nataonarco izao? ». Tia antsika Andriamanitra ka mampahafantatra ny fahadisoantsika.

Mamaly heloka tokoa Andriamanitra: « Tsy handroaka ny Kananita co anoloan’ny Zanak’Israely Izy tsy hiady ho azy ireo Izy; « ho tsilo ho azy ireo ny Kananita », hanindrotsindrona, hanelingelina, hahatonga fahasorenana ho azy ireo; « ho fandrika ho azy ireo ny Kananita », fakam-panahy ho azy ireo ny fananan’ireo Kananita andriamanitra maro hivavahany. Loza ho an’ny Zanak’Israely tokoa izany, ary izay no nahatonga azy ireo « nanandratra ny feony… ka nitomany ».

Manao ahoana ny toe-panahinao manoloana ireo toetran Andriamanitra ireo?