Antony ankalazana an’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Oktobra 2025
Salamo 106, 1-5 / Hira 171:1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 338
Levitikosy 23,39 - 44
39 Ary amin'ny andro fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an'i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa. 40 Ary amin'ny andro voalohany dia makĂ voan'ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan'ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron'ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo. 41 Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an'i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalĂ na mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany; amin'ny volana fahafito no hitandremanareo azy. 42 Ao amin'ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin'ny Zanak'Isiraely dia samy hitoetra ao amin'ny trano rantsan-kazo avokoa, 43 mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak'Isiraely tao amin'ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. 44 Ary Mosesy dia nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin'i Jehovah.Levitikosy 23. 39-44
Antony ankalazana an’Andriamanitra:
1. Andriamanitra mampahavokatra ny tany (and 39-40)
Fetin’ny Tabernakely no resahana eto. Asaina mitandrina ny andro firavoravoana ho an’i Jehovah ny vahoaka Israely aorian’ny fiakaram-bokatra. Valo andro no faharetan’ izany. Amin’ny andro voalohany sy amin’ny andro famaranana dia tsy tokony hanao na inona na inona ny olona. Tsy izany ihany fa asaina maka karazana hazo ampiasaina ho famantarana amin’izany fety izany. Ny antony dia ho fankalazana an’Andriamanitra, hanehoana fifaliana amin’ny maha- Andriamanitry ny zava-boary rehetra Azy sy noho Izy mampahavokatra ny tany. Eto dia aorian’ny fanangonam-bokatra no hifaliana amin’Andriamanitra, mba hahalalan’ny olona rehetra fa Izy no nampahavokatra ny tany. Ho ahy sy ho anao koa, tsarovy fa Andriamanitra no mifehy ny zava-boary, satria Izy no Mpahary, izay isitrahantsika harena maro samihafa. Ankalazao ny Tompo, fa Izy no mampahavokatra ny tany.
2. Andriamanitra mihazona ny fanekeny (and 42-43)
Mandritra io fety io dia asaina mitoetra hafitoana ao amin’ny Tabernakely ny Israely. Izay no lazaina amin’ny hoe « trano rantsan-kazo » (and 42). Izany dia entina hahatsiarovana ny fiainana tany an’efitra, taorian’ny nanafahan’i Jehovah Andriamanitra azy ireo tany Egypta. Ny tanjon’Andriamanitra eto dia ny hahafantaran’ny taranaka rehetra mifandimby fa Izy no niaro sy nitari-dalana azy ireo tany an’efitra. Maneho izany fa tokony hankalazaina Andriamanitra satria mihazona ny fanekeny Izy, ary tsy mivadika amin’izany, fa nomba ny Zanak’ Israely tany an’efitra mba hahafahan’izy mankany amin’ny tany izay efa nampanantenainy azy ireo. Tsarovy fa mihazona ny fanekeny Andriamanitra, tsy mivadika Izy, ary mampahatsiahy izany eo amin’ny fiainantsika. Ankalazao ny Tompo, tsy mba mivadika Izy fa maneho mandrakariva ny fahatsarany.
Fanontaniana:
Ankoatra ireo antony roa ireo, inona kaa no tokony hankalazantsika an Andriamanitra amin’ny fiainantsika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe