Lesona telo ny amin’ny finoana:
Mofonaina anio: Talata, faha 30 Septambra 2025
Salamo 37.27-28 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 347
Jaona 4,46 - 54
46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin'ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy. 47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy. 48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. 49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako. 50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy, ka dia lasa nody. 51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany. 52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin'ny ora fahafito no nialan'ny tazo taminy. 53 Koa fantatry ny rainy fa tamin'izay indrindra no ora nanaovan'i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesosy, fony Izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.Salamo 37.27-28 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 347
Jaona 4. 46-54
Lesona telo ny amin’ny finoana:
1. Tandremo sao tsy mino raha tsy mahita.
Henoy ny tenin’ i Jesoa hoe: « Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy. » (and.48) Fampitandremana mbola tsy lany andro mihitsy izany, fa mainka koa aza marina amin’izao androntsika ankehitriny izao!
2. Ny Tenin’i JESOA no anoreno ny finoana.
Manahafa ity lehilahy ity fa, rehefa niteny i JESOA hoe: « Andeha mody; velona ny zanakao! », dia tsy nisalasala izy: « Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesoa taminy, ka dia lasa nody. » (and.50). Ny tenin’i JESOA no niorenany ary noporofoiny tamin’ny fankatoavany izay nasain’i JESOA nataony izany finoany ny tenin’i JESOA izany!
3. Fatratra izany ankohonana miaraka mino izany!
Hoy ny and.53: « Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra. » Niara-nandre ny fijoroana ho vavolombelon-dralehilahy izy mianakavy ary niara-nahita ny fahasitranan’ilay narary, dia niara-nino! Fatratra izany! « Minoa an’i JESOA Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao! » (Asa 16,31)
Fanontaniana:
Voarainao tsara ve ireo lesona 3 ireo, sy ireo fahamarinana rehetra nianarantsika tamin’ity volana ity mba ho mpino « velon’ny finoana » ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe