Voasoratra hoe: « Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. » (and.8)
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 27 Septambra 2025
Sal 28.6-9 / HF 9 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 786.4
Asan'ny Apostoly 18,1 - 9
1 [Ny nahatongavan'i Paoly tao Korinto, sy ny nampianarany tao herintoana sy enim-bolana] Ary rehefa afaka izany, dia niala tany Atena Paoly ka nankany Korinto. 2 Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly. 3 Ary satria niray raharaha taminy izy, dia nitoetra tao aminy ka niasa; fa ny manao lay no raharahany. 4 Ary niady hevitra isan-tSabata tao amin'ny synagoga izy ka nampanaiky ny Jiosy sy ny jentilisa. 5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. 6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. 7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. 8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. 9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina;Asan’ny Apostoly 18.1-9
Voasoratra hoe: « Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin’ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. » (and.8)
Finoana faka tahaka no hitantsika eto:
1. Ny finoan’i Krispo
Ny Jiosy namany dia « nanohitra sy niteny ratsy » (and.6) rehefa nitory i Paoly fa « i Jesoa no Kristy » (and.5); izy kosa, na dia « mpanapaka ny synagoga » izao aza izany hoe: tena Jiosy tomponandraikitra tao amin’ny fivavahana jiosy -, dia sahy nijoro hino an’i JESOA! Fahasahiana lehibe hanoha riana izany!
Ary tsy izany ihany, fa « mbamin’ny ankohonany rehetra », voataonany avokoa! Fatratra izany! Fa moa tsy mafy ny mitaona ny ankohonantsika hino, tahaka ny nahazo an’i JESOA ihany? (Jao.7,5)
2. Ny finoan’ireo Korintiana
Tsy Jiosy izy ireo, jentilisa, nahita ny fanoheran’ny Jiosy an’i Paoly; saingy nandray ny Teny notorina ihany ka nanaiky an’i JESOA ho Kristy ary naneho izany ampahibemaso tamin’ny fanekeny hatao batisa mihitsy! Dia teraka ny Fiangonana kristiana tao Korinto ka nijanona tao herintaona sy tapany i Paoly !
Fanontaniana :
Ary ny finoanao, mba manao ahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe