Ivelomy ny finoana marina

Mofonaina anio: Talata, faha 23 Septambra 2025

Sal 9.1-2 / HF 45 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 632.1

Lioka 9,1 - 6
1 Ary Jesosy niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. 2 Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hahasitrana ny marary. 3 Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin'ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa. 4 Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao. 5 Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin'izany tanĂ na izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin'ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy. 6 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.

Ivelomy ny finoana marina

Izany no hafatra ho antsika eto.

Dikany:

1. Ekeo ny antson’i JESOA (and.1-2)

Ny mino dia izay:

Manaiky ny antson’i JESOA hankeo Aminy aloha. Io ny dingana voalohany: « mankeo amin’i JESOA ».

Manaiky ny hery sy ny fahefany, fa tsy matoky tena.

Manaiky ny iraka anirahany ho famonjena ny hafa.

2. Matokia tanteraka an’i JESOA (and.3-4)

Tsy navelan’i JESOA hitondra vatsy ireto mpianany ireto fa hiankina Aminy feno, hatoky Azy hiahy ny fiainany manontolo co am-panefana ny ıraka ampanaoviny. Fianteherana feno amin’i JESOA manko no atao hoe finoana!

3. Ankatoavy fotsiny i JESOA! (and.5-6)

Nampiomana i JESOA fa tsy hoe satria Izy no maniraka, sady efa nanome hery sy fahefana, dia handray avokoa ny olona, tsia; mety hisy tokoa ny tsy handray. Ary « ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy », hoy i JESOA. Dia nandeha izy ireo (and.6). Izany no finoana: mandeha na mety tsy hahomby aza! Ny fankatoavana no zava-dehibe fa tsy ny vokatra! Ny vokatra, miankina amin’ny safidin’ny anirahany izany!

Fanontaniana:

Araka ireo : mivelona ny finoana marina ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe