Hoy i Josafata, Mpanjaka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 17 Septambra 2025

Sal 93 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460.1.3

2 Tantara 20,20 - 23
20 Ary nifoha maraina koa izy, dia niainga nankany an-efitr'i Tekoa; ary nony nivoaka izy, dia nitsangana teo Josafata ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Joda, sy ianareo, ry mponina eto Jerosalema: Minoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. 21 Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehovah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony. 22 Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian'i Jehovah otrika hamely ny taranak'i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seira, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. 23 Dia nitsangana ny taranak'i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seira ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seira, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany.

 

« Minoa an’i Jehovah Andriamanitrareo, dia ho tafatoetra ianareo; minoa ny mpaminaniny, dia hambinina ianareo. » (and.20)

Tahaka ny Zanak’i Israely eto dia miatrika ady mandrakariva isika. Ahoana no hiatrehana izany?

Ny finoana dia fahatokiana feno. Raha vakina hatrany amin’ny fiandohany ity 2 Tan.20 ity dia hitantsika fa vavaka no nanehoan’i Josafata Mpanjaka izany finoany an’Andriamanitra izany. Ka tsy mino fotsiny dia mivavaka, fa mino ny valim-bavaka indrindra koa. Ny dikan’ny teniny eto dia izao: minoa ka mivavaha, ary rehefa nivavaka dia « minoa fa efa nandray » (Mar.11,24), araka ny tenin’i JESOA!

I Jahaziela, voalazan’ny and. 14, no tondroiny amin’izany. lo Mpaminany io no nitory ny tenin’i Jehovah nanome toky hoe: « Aza matahotra » fa i Jehovah no hiady ho an’ny vahoakany! (and.17). Ny finoana dia miorina amin’ny tenin’Andriamanitra mandrakariva (Rom. 10,17). Koa eo amin’ny adinao rehetra: minoa, raiso ho anao, ifikiro ny Tenin’Andriamanitra vakinao, na ny toriteny renao.

Manao ahoana ny famakianao Baiboly isan’andro? Manao ahoana ny fankatoavana izany?