Sahia mijoro hampiorina finoana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 15 Septambra 2025
Sal 103.1-6 / Hira 39.1.5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 640 1Mpanjaka 18, 36-40
1 Mpanjaka 18,36 - 40
36 Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. 37 Mihainoa ahy mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray. 38 Dia latsaka ny afon'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin'ny hady kely. 39 Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra. 40 Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.Sahia mijoro hampiorina finoana
Natao fivavaham-pirenena ny fanompoana ny Bala tamin’ny andron’i Ahaba, Mpanjaka vadin’i Jezebela. Nanompo ny Bala avokoa ny ankamaroan’ny vahoaka. Sahy nijoro hamerina ny olona amin’ny finoana kosa i Elia Mpaminany. Taomina koa isika anio: Sahia mijoro hampiorina finoana. Inona no hataontsika ?
Mivavaha sy mangataha hanehoan’ny Tompo hery
Hoy ny fivavak’i Elia, teo anatrehan’ny mpaminanin’ny Bala nifanandrina taminy sy teo anoloan’ny vahoaka nitazana: «Aoka ho fantatra anio fa lanao no Andriamanitra amin’ny Israely, ary Izaho по трапотропao…» (and.36b-37). Vavaka amin’ny finoana, ary fitalahoana mba hanehoan’ny Tompo ny heriny sy ny voninahiny no hita eo amin’ny an.36b-37. Natao handresena lahatra ny olona, hahalalany an’ Andriamanitra izany, sady haneken’ny olona an’i Elia ho mpanompony nirahiny. Tandindon’ny vavaka nataon’i Jesoa tainin’ny nananganany an’i Lazarosy tamin’ny maty, teo anatrehan’ny Jiosy maro koa izany (vakio Jao 11, 42).
Mivavaha mba hinoan’ny olona noho ny asan’ny Tompo
Nivavaka sy nitalaho fatratra i Elia, mba hampiseho hery amin’ny alalan’ny asa mandresy lahatra ny Tompo. Nataon’ny Tompo tokoa izany, ka niaiky sy nanaiky ny olona: « Jehovah, Izy no Andriamanitra!» (and.39). Teny nataon’i Jesoa tamin’ny Jiosy mafy fo tsy nety nino koa izany. Hoy Izy: «Minoa Ahy noho ny asa ihany aza» (Jao 14, 11). Misy finoana avy amin’ny fihainoana misy finoana avy amin’ny fahitana ny asan’ny Tompo. Mivavaha hahitan’ny olona izany.
Fanontaniana:
Inona ny fomba hananatsika fahasahiana tahaka an’i Elia?
Sampana Sekoly Alahady Foibe