Ivelomy hatrany ny finoana
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 11 Septambra 2025
Sal 27.1-4 / Hira 163.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 515.1
Isaia 30,15 - 18
15 Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo; 16 Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo. 17 Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana. 18 Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.Tandremo ny matoky ny herin’olombelona
Nanahirana tokoa ny toe-draharaha politika teo amin’ny firenen’i Joda, tamin’ny andron’i Isaia. Natoky ny firenena Egyptiana ny Mpitondra, fa tsy nihaino ny Mpaminany. Toy izany koa ny vahoaka, nitoky sy nitodika tamin’ny Egypta. Naleony i Egypta toy izay Andriamanitra. Ny firenena Egyptiana no tiana holazaina rehefa ambara ny hoe: « soavaly », na ny faingan-tongotra >>> (and. 16). Natoky herin’ olombelona ny vahoakn’Andriamanitra. Tsy olona mivelona amin’ny finoana izany! Ho tra-pahavoazana izay matoky olombelona. Izany no tiana havoitra amin’ny and.15 17. Fahita mandraka ankehitriny izany fahatokiana sy fahatahorana olona mihoatra noho Andriamanitra izany. Ny olona velon’ny finoana dia mihaino ny Tompo ka matoky Azy, matoky ny teniny, tahaka an’i Jesoa izay nihaino mandrakariva ny Rainy, ka natoky na dia nizotra tamin’ny lalan-tsarotra hatreo amin’ ny hazo fijaliana aza.
Manana fanantenana mandrakariva
Mariho eo amin’ny and. 18 fa averina in-droa ny matoanteny hoe: Miandry: Jehovah hiandry… kanefa koa sambatra izay miandry Azy (and.18 a sy 18 b). Ny matoanteny hoe miandry ato amin’ny Testamenta Taloha, dia manantena ihany no heviny sy dikany. Koa taomina isika hanana fanantenana mandrakariva ao amin’ Andriamanitra, fa miandry antsika amin’ny famindram-pony Izy. Andeha hiverina Aminy isika fa Izy no mahatoky sy mahavonjý, sady miandry antsika Izy.
Fanontaniana:
Ahoana ny fisehoan’ny fahatokiana olombelona ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe