Filohan’ny FJKM faha-VI : ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina

Andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy, Mpitandrina no Filohan’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sady Filohan’ny FJKM amin’ny taom-piasana 2025 – 2029.

Loha-hevitra iainantsika amin’ity efa-taona manaraka ity indray ny hoe : «Mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.» 1 Kor. 15, 58b

Ho mpitarika antsika Fiangonana FJKM izy sy ny Birao miaraka aminy amin’ny ho fanatanterahana izay tapak’iny Synoda Lehibe faha-XX iny. Mandritry ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe voalohany (MF01/SLXX – Oktobra 2025) no hanoloran’ny Filoha ny ho fanatanterahana izany hevitra tapaka izany.

Mirary azy isika hahefà be amin’ny Asan’ny Tompo.