Hafatry ny Filoha/Mar. 2020.
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARAÂ !
Ka isika rehetra izao
No antsoina mba hibebaka
Aminâny ratsy izay fanao,
Ka tsy hisy hifanebaka
Ary hifampitsaratsara
Fa samy hahay mandini-tena,
Eny, handini-tena tsara
Ka hanao ny fiaikena
Ny aminâny ratsy izay natao
Izay nanimba na ny tena,
ny ao an-tokantrano ao,
Na ny fiainam-pirenena.
Eny, isika rehetra izao
No tena hanaiky fibebahana,
Dia fibebahana hanavao
Ny fiainam-pivavahana
Mba tsy hatao fisehosehoana
Fa tena hiainana ao am-po
Izay ambara fa inoana,
hisy vokany tokoa
Amâizay atao rehetra.
Ka âzay milaza fa mpivavaka
Dia ho hita tsara toetra
Tena hitanao miavaka.
Izay no tena fibebahana
Irariana hanjaka etoana
Dia famelana hahazo vahana
Ny tena asanâny finoana!
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARAÂ !
IRAKO AMMI