Mampahery ny hafa ny mpino
Mofonaina anio: Talata, faha 12 Aogositra 2025
(Sal 145 / Hira 310 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF24)
Isaia 35, 1-4
1 Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. 2 Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika. 3 Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy. 4 Lazao amin'izay reraka* am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]Mampahery ny hafa ny mpino
1- Mampahery ny tànana miraviravy
« Ampaherezo ny tanana miraviravy » (and 3a). Ny hoe miraviravy tànana dia ilazana ireo izay manana hery voafetra ihany. Mandalo sedra mafy, tsy mahita izay horaisina sy horangotina. Raha niatrika ady ny Zanak’Israely dia hita fa niankina tamin’ny fahatanjahan’ny tànan’i Mosesy sy ny fiarovan’ny Tompo no nitondra fandresena ho an’ny vahoaka. Nilaina araka izany ny « nanohana ny tanan’i Mosesy » (Eks 17,12). Ny fampaherezana ny tànana àry dia manana endrika tolo-tanana, fanampiana, fitondrana am-bavaka. Manana adidy hanolo-tanana ny olona mila vonjy toy izany isika, arakaraka ny olana misy. Finoana arahana asa no ilaina.
2- Mampahatanjaka ny lohalika malemy
« Ary hatanjaho ny lohalika malemy » (and 3b). Ny lohalika no isan’ny ahafahantsika mijoro tsara, ahafahana mandeha tsara, mihazakazaka. Ny lohalika misy olana ihany koa dia sahirana raha miakatra fiakarana, sahirana raha haforitra. Ny fampiasana lohalika no fomba malaky anehoana fanetren-tena amin’ny Tompo. Ny olona mampiasa lohalika àry dia olom-bavaka, olon’ny fanetren-tena. Ampaherezo hatrany ny hafa mba hampiasa lohalika araka ny tokony ho izy, hanetry tena, hiroso amin’ny hazakazaka masina.
3- Mampahery izay reraka ao am-po
Ny fo no ahafahana mitia na mankahala. Reraka am-po ny olona izay voahilika, misedra olana, mahatsiaro tsy tiana. Ambarao hatrany fa nahafoy ny ainy ho azy ireo Jesoa.
Fanontaniana :
Iza avy no manana adidy hampitraka ireo mitanondrika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe