Ny mpianatry ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Aogositra 2025

(Sal 34 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 488)

Lioka 22. 24-34
24 Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin'izay anankiray aminy hatao lehibe. 25 Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan'ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa. 26 Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo. 27 Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo. 28 Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin'ny fakam-panahy nihatra tamiko; 29 koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren'ny Raiko ho Ahy, 30 mba hihinana sy hisotro eo amin'ny latabatro amin'ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen'isiraely roa ambin'ny folo, 31 Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. 32 Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao. 33 Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin'ny fahafatesana aza. 34 Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.

« Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary » (and 31). Handalo sedra ny faneken’i Petera an’i Jesoa. Efa fantatry ny Tompo mialoha fa handa Azy in-telo i Petera (and 34). Ny tantaran’i Petera dia mampitandrina antsika fa tena zava-doza eo amin’ny fanompoana ny fandavana an’i Jesoa, isan’izany ny fahatahorana olombelona mihoatra noho ny fahatahorana an’i Jesoa. Tsy mifidy tavan’olona ny fizahan-toetra. Mbola mitohy ankehitriny ireo sedra samihafa.

« Ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao » (and 32). Nivavaka manokana ho an’i Simona ny Tompo mba tsy ho levona ny finoany. Marina fa handalo sedra mafy i Petera, handa an’i Jesoa izy, saingy nivavaka ho azy i Jesoa mba hijoroan’i Petera indray. Hisy tokoa ny fotoan-tsarotra izay andalovana kanefa mila tohizan’i Petera amin’ny fibebahana izany. Izany dia fiverenena hanompo an’i Jesoa indray, toy ilay fitiavana voalohany.

« Ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao » (and32b). Ny olona mibebaka, manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy, dia tsy mipetrapetra-potsiny fa mitory Filazantsara. Mampahery ny hafa. Ny fijoroana vavolombelona dia endrika fanehoana amin’ny fomba hita maso sy azo tsapain-tanana ny fanekena sy fitiavana an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy.

Inona avy no mampiavaka ny mpianatry ny Tompo?