Raha misedra ady mafy ianao
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Aogositra 2025
(Sal 76 / Hira 432 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 627)
2 Mpanjaka 6,8 - 17
8 [Ny nataon'i Elisa hamonjena ny Isiraely tamin'izy niadian'ny Syriana] Ary ny mpanjakan'i Syria niady tamin'ny Isiraely ka nilaza tamin'ny mpanompony hoe: Any Anonana no hitobiako. 9 Ary ilay lehilahin'Andriamanitra kosa naniraka tany amin'ny mpanjakan'ny Isiraely nanao hoe: Tandremo fandrao mankany Ananona ianao; fa any no hidinan'ny Syriana. 10 Ary ny mpanjakan'ny Isiraely naniraka tany amin'izay nolazain'ny lehilahin'Andriamanitra taminy sy nananarany azy, ka nampiambina tany tsy indray mandeha, na indroa aza. 11 Dia sosotra indrindra ny fon'ny mpanjakan'i Syria noho izany zavatra izany; koa niantso ny mpanompony izy ary nanao taminy hoe: Tsy hambaranareo ahy va izay eto amintsika momba ny mpanjakan'ny Isiraely? 12 Ary hoy ny mpanompony anankiray: Tsy misy, ry mpanjaka tompoko; fa Elisa mpaminany ao amin'ny Isiraely ihany no milaza amin'ny mpanjakan'ny Isiraely na dia izay teny lazainao ao amin'ny trano fandrianao aza. 13 Ary hoy ny mpanjaka: Andeha, izahao izay itoerany mba hanirahako hisambotra azy. Ary nolazaina taminy hoe: Indro, ao Dotana izy. 14 Ary dia nampandeha soavaly sy kalesy ary miaramila be ho any izy; ka tonga alina ireo ary nanodidina ny tanàna. 15 Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon'ny lehilahin'Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika? 16 Ary hoy Elisa: Aza matahotra; fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy. 17 Ary Elisa nivavaka hoe: Jehovah ô, mifona aminao aho, ampahirato ny masony mba hahitany. Ary Jehovah nampahiratra ny mason'ilay zatovo; ary dia nahita izy, ka, indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an'i Elisa.Raha misedra ady mafy ianao
1- Tsarovy fa manana Mpiaro matanjaka isika
« Aza matahotra, fa ny momba antsika dia be noho ny momba azy » (and 16): Ny Andriamanitra ivavahantsika dia mahery lavitra noho ny herin’ny fahavalo. Tsy nahafaly ny mpanjakan’i Syria ny fahafantaran’ny mpanompon’Andriamanitra ny fikasany rehetra. Namoaka didy hosamborana an’i Elisa izy. Natoky ny herin’ny Tompo tanteraka anefa i Elisa, ka hoy izy hoe: « Aza matahotra« . Nitaona ny hafa mba hatoky ny Tompo hatrany izy. Jesoa ihany koa dia miteny amintsika hoe: « Aza matahotra, Izaho ihany! » (Jao 6, 20). Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.
2- Mivavaha
« Ary Elisa nivavaka hoe: « Jehovah o, mifona amino aho, ampahirato ny masony mba hahitany » (and 17): Tena tsy nisalasala nangataka tamin’ny Tompo I Elisa. Jesoa Tompo dia namporisika antsika hoe: « Mangataha dia omena hianareo, mitadiava dia hahita ianareo… » (Mat 7,7). Aoka ary isika ho sahy hangataka hatrany amin’ny Tompo.
3- Manana finoana
Mazava tsara ny hataka nataon’i Elisa: « mba hampahiratina ny mason’ilay zatovo mba ahitany » (and 17). Indro àry ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa. Ny tohin’ny tantara dia i Elisa indray no mitarika ny fahavalo any amin’izay tiany hitondrana azy ireo. Hoy Jesoa: « Na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo izany » (Mat 21, 21). Aoka hivavaka amin’ny fahatokiana isika.
Fanontaniana :
Inona no tokony hatao raha misedra ady sarotra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe