Ny adim-panahy atrehan’ny mpino

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Aogositra 2025

(Sal 91 / Hira 639 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 643)

Efesiana 6, 10-13
10 [Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany. 11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. 12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra] 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.

« Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany » (and 10). Ny teny hoe: « mahereza » dia avy amin’ny fototeny hoe: « hery« , izany hoe: mafy, matanjaka, mijoro tsara, vonona tsara, mikiry mafy, mihazona tsara ny finoana, mifantoka tsara amin’ny tanjona. Manana hery ampy hampiorenana antsika ny Tompo. Zava-poana ny fikasana handray fampaherezana ivelan’i Kristy. Ireo mpanompon’Andriamanitra rehetra izay niavaka sy nahomby ary nahita fandresena dia manomboka hatrany ny fanompoany tamin’ny fiankinana feno amin’ny Tompo, amin’ny alalan’ny vavaka, famakiana Soratra Masina, fianteherana amin’ny Tompo irery ihany. Tena mila ny herin’ny Tompo isika. Mila fiainam-panahy matanjaka.

« Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà, fa amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra » (and 12). Aoka tsy ho diso fahavalo isika, tsy olombelona nofo sy rà no tena fototry ny olana fa ny devoly izay mpanjakan’ny aizina: « Ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany » (1Pet 5, 8). Tsy maintsy amin’ny herin’ny Jesoa ilay fahazavan’izao tontolo izao ihany no ahafahantsika mandresy ny asan’ny maizina.

« Raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra rehetra » (and13), isan’ireny ny vavaka, ny Soratra Masina, fandosirana ny filan’ny tanora fanahy… Maro ireo fomba fiady ahazoantsika mandresy.

Ahoana no ahafahana mandresy ny herin’ny maizina?