Miatrika zava-tsarotra isika ka

Mofonaina anio: Alarobia, faha 06 Aogositra 2025

(Sal 134 / Safif 70 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731)

2 Samoela 10, 9-14
9 Ary rehefa hitan'i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana. 10 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny halahany hiady amin'ny taranak'i Amona. 11 Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao. 12 Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony. 13 Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin'ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo. 14 Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.

Rehefa hitan’i Joaba fa nanodidina azy ny fahavalo dia nandray andraikitra sy nanao fandaminana izy: Misy ireo nalahany hiatrika ny Syriana ary misy kosa nalahany hiatrika ny taranak’i Amona. Ilaina araka izany ny manana fahaiza-mandamina manoloana ireo olana maro samihafa tsy maintsy atrehina. Voasoratra hoe: « Ny fahaizana mandamina tsara no entinao miady » (Oha 20.18). Ny fanovozana hery tany an’efitra 40 andro sy 40 alina no paik’ady niatrehan’i Jesoa ny fanompoana. Avy eo dia natrehany am-pahatoniana ireo sedra rehetra.

« Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho, fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’i Amona, dia hovonjeko ianao » (and 11). Sady nanaiky hanolo-tanana ny hafa i Joaba no manaiky hampiana eo am-piatrehana ny fahavalo iombonana. Tsy misy manana ny ampy tokoa fa sambatra izay mifanampy. Ilaina ny mifampizara izay mahavesatra. Tsy miantehitra amin’ny herin’olombelona koa anefa fa voasoratra hoe: « Ary apetraho Aminy ny fanahianareo rehetra, fa Izy no miahy anareo » (IPet 5.7).

« Mahereza ary aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika sy ny tananan ‘ Andriamanintsika, ary aoka Jehovah hanao ny sitrapony » (and.12). Ny fananana tanjona entitra sy mazava; ny fiankinana amin’ny sitrapon Andriamanitra dia hery lehibe hoan’ny mpino.

Iza no hiankinantsika handresena ny ady sarotra?