Jesoa Zanak’ondry: Fanavotana sy Fanjakana ho an’izay mino

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 04 Aogositra 2025

(Sal 121 / Hira 269 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 3)

Salamo 46. 1-11
1 [Fahatokiana an'Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. 2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra, 3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. 4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra. 5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. 6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. 7 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. 8 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana et? an-tany; 9 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo. 10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho. 11 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.

« Andriamanitra no aro sy hery ho antsika, Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy » (and I):

Ity Salamo faha 46 ity no hiraina, indrindra mandritra ny fivahinianana masina ao Jerosalema. Mahatsiaro miaina amin’ny fiadanana sy fandriam-pahalemana tanteraka ny mpino eto. Toerana lavitry ny horohoro, lavitry ny tebiteby. Mahatsiaro manana Mpiaro. Andriamanitra manan-tsofina, mana-maso. Andriamanitra mahery. Hoy tokoa Jesoa amintsika hoe: « Ny fiadanako no omeko anareo » (Jao 14, 27). Tena manana Mpiaro azo antoka tokoa isika.

Tsy mba hery tsotsotra tahaka izay takatry ny saintsika no omen’ny Tompo antsika fa hery mahagaga. Hery ahafahana mandresy ireo asa ratsin’i Satana. Hery tsy hay refesina, na voafetra. Voasoratra hoe: « Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be » (Isa 40,29). Jesoa no herintsika. Ampy antsika ny fahasoavany. Manome fiainana antsika Izy dia fiainana be dia be (Jao 10, 10).

Ny famonjen’ny Tompontsika dia tsy mijery tavan’olona fa famonjena ho an’ny rehetra: tsy mifidy fotoana, tsy mifidy toerana, ho an’ny rehetra. Fanetren-tena sy finoana no ilainy. Nasehon’i Jesoa tamin’ireo nahiliky ny fiaraha-monina nitady Azy izany. Na zaza, na vehivavy, na mpanota, dia samy anehoany famindrampo sy fiantrana. Afaka miditra an-tsehatra amin izay rehetra mitranga Izy.

Inona avy no mampiavaka ny Tompontsika?