Ny nanendrena ny Apostoly 12 lahy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 31 Jolay 2025

(Sal 96.1-6 / Hira 18 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 313)

Marka 3. 13-19
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo. 14 Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny 15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia. 16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera; 17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra; 18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana*[*Na: Zelota, izahao Lio.6.15] 19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.

Ny Filazantsara telo voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao dia samy mitantara ny nanendrena ny Apostoly 12 lahy. Notendrena hanao inona izy ireo:

Nantsoina hoe Apostoly izy ireo, satria iraka irahina ho mpialoha lalana, hanambara ny Vaovao Mahafaly, ho mpiara-miasa akaiky, anisany niantsoana azy ireo ny fitorianteny, ny hifanandrina amin’ireo herin’ny satana. Andraikitra goavana tokoa no anirahana ireo Apostoly ireto. Tsy nandeha amin’izay mety ho heriny anefa, fa nomen’i Jesoa fahefana amin’ny ady atrehiny, indrindra amin’ny fanoherana ny herin’ny maizina (and 14-15). Ho antsika nofidin’ny Tompo ho amin’ny asa fitorianteny sy hamoaka ny asan’ny maizina, dia aoka tsy hiroa teny, fa Jesoa no manome fahefana anao, tahaka ny nanomezany ireo Apostoly izany, mba handresenao ny hery rehetra ananan’ny fahavalo.

Raha ny voalaza ato amin’ny Filazantsara araka an’i Marka dia ny sasany tamin’ny Apostoly no nomen’i Jesoa ireo anarana manokana ireo (3.16-19). Azo lazaina fa samy ry zareo ihany no mahafantatra izany, izay natao tamin’ny fiteny arameana ny ankamaroany. Kefasy no niantsoana an’i Simona, midika hoe ilay vatolampy. I Jakoba sy Jaona zanak’i Zebedio dia nomeny anarana hoe Boanerjesy na zana-baratra (mirehidrehitra matetika). Nataony hoe « Zelota » ilay Simona anakiray, ilazana fa mafana fo ho an’Andriamanitra. Hazony hatramin’ny farany ny anarana tsara nomen’ny Tompo anao.

Mba manana lanjany eo amin’ny fiainanao ve ny maha Kristiana anao?