Ny olom-boaantson’ Andriamanitra dia:

Mofonaina anio: Talata, faha 29 Jolay 2025

(Sal 145. 1-7 / Hira 171 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 164)

Romana 1. 1-7
1 [Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin'ny filazantsaran'Andriamanitra, 2 izay nampilazainy ny mpaminany rahateo teo amin'ny Soratra Masina*, [* teo amin'izay soratra masina] 3 ny amin'ny Zanany, Izay nateraka avy tamin'ny taranak'i Davida araka ny nofo, 4 ary naseho* tamin-kery ho Zanak'Andriamanitra** araka ny fahamasinana tamin'ny fitsanganany tamin'ny maty, - dia Jesosy Kristy Tompontsika, [* Na: notendrena] [** Na: naseho ho Zanak'Andriamanitra mahery] 5 Izay nandraisanay fahasoavana sy ny mah'Apostoly anay hahatonga fanekena ny finoana ho voninahitry ny anarany any amin'ny jentilisa rehetra; 6 ary ianareo koa, izay isan'ireny, dia voantso ho an'i Jesosy Kristy, - 7 ho an'izay rehetra any Roma, malalan'Andriamanitra sady voantso ho masina; ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

I Paoly Apostoly eto no manambara ny momba azy, amin’izao mofonaina izao. Ambarany voalohany fa mpanompon’i Jesoa Kristy izy. Ny mpanompo eto dia midika hoe « andevo »; teny ampiasaina koa ao amin’ny Testamenta Taloha, niantsoana an’i Mosesy (Jos1.2), Davida (Sal 89.3,20), ary ny mpaminany (Jer 7.25). Dia tahaka izany koa isika mpanompon’Andriamanitra izay nantsoiny, maneke ho « andevo » satria mpanompo ianao, ary io no iantsoana ny Kristiana eo anatrehan’i Kristy (1 Kor. 7.22-23)

Ny hoe Apostoly dia ilazana ilay mpitondra hafatra, olona misolo tena an’i Jesoa eo amin’ny fanapariahana ny Filazantsara (Rom 16.7). Anarana entin’ireo izay nofidin’i Jesoa sy nomeny fanomezam-pahasoavana hisolo tena Azy izany. I Paoly dia mirehareha fa Apostoly satria nifanena tamin’ilay nitsangana tamin’ny maty, dia i Jesoa Kristy. Tsy i Paoly ihany no nantsoin’ny Tompo, fa ianao koa, Meteza ho iraka hitondra ny Teniny amin’izay anirahany anao. Aoka ho marina eo aminao fa iraka nofidiny ianao, ary nomeny fahefana toa an’i Paoly.

Nantsoin’i Jesoa Kristy hanambara ny hafatry ny Vaovao Mahafaly sy hampianatra momba ny famonjen’i Kristy any amin’ny Jentilisa izy. Nofidina izy ary mifantoka amin’izany mandrakariva. Toy izany koa isika olom-boaantso ao amin’i Jesoa Kristy. Meteza ho mpanompony, maneke Azy amin’izay atao. Mijoroa ho irany hitondra ny Vaovao Mahafaly, satria natokana ho amin’izany isika mpanompony.

Mijoro amin’ny maha mpanompo ve ny Kristiana ankehitriny?