Tia antsika Andriamanitra satria:

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Jolay 2025

(Sal 138.1-8 / Hira 170 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 513)

1 Jaona 3.1-2
1 [Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen'] 2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.

Ambaran’ny mpanoratra sy aharihariny amintsika mpamaky fa zanak’ Andriamanitra isika. Anisany fanambarana lehibe ao amin’ny Testamenta Vaovao ny fahamarinana hoe: Andriamanitra no Raintsika avy any an-danitra, ary zanany isika. Tombontsoa ho antsika manokana ny maha zanak’ Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Efes 1. 5): mpandova an’Andriamanitra, sady mpiara-mandova amin’i Kristy (Rom 8.16-17). Fototra iorenan’ny fahavelomantsika hanao araka izay mahafaly an’ Andriamanitra ny maha zanany antsika mba hananantsika fiainana mandrakizay (Jao 3.16). Ny olom-boaantso dia tokony hanaiky ho zanany, ary hisitraka ny fitiavany mandrakariva ka ho mpanompo miaina amin’ny fitiavany tokoa.

« Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy mahalala Azy izy » (and.1b). Satria miandany amin’ Andriamanitra isika dia heverin’izao tontolo izao ho hafahafa. Mifanohitra Andriamanitra sy izao tontolo izao. Mazava ho azy fa tsy fantany izay manara-dia ny Tompo. Tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy misy fifandraisana am-po sy fifanarahan-tsaina aminy isika izay voaantson’Andriamanitra hanaraka ny sitrapony.

Fantantsika fa raha hiseho Izy dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy. dia izay tena endriny tokoa (and2.b). Tsarovy fa zanany isika, mendrika hahita Azy, miandry antsika Izy ao amin’ny fiainana mandrakizay.

Azo lazaina ho zanak ‘Andriamanitra avokoa ve ireo milaza ho mpivavaka?