Ny mpaminany marina dia:

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Jolay 2025

(Sal 116.1-6 / Hira 16 / Vavaka / Mojonalna / Vavaka / HF 33)

Amosa 7. 10-15
10 [Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra, 11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely. 12 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any; 13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity. 14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty* aviavy** ihany aho,[*Na: mpandraotra][**sykomora] 15 saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.

Raha ny voalaza eto, na i Jeroboama, na i Amazia dia nanana fahasorenana noho i Amosa izay milaza ny fahamarinan’ny hafatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ny taniny ny Israely » avy amin’ Andriamanitra ho an’ny Israely. « Ho fatin-tsabatra (and.11). Nankahala an’i Amosa i Amazia ka nandroaka azy hiala eo amin’ny taniny (and. 12-13). Izany tetika izany koa no nampiasain’ny mpanohitra an’i Jesoa izay nilaza tamin’i Pilato hoe: « Tsy ho sakaizan ‘i Kaisara ianao raha avelanao handeha io lehilahy io. » Manohitra an’i Kaisara izay milaza tena ho mpanjaka (Jao 19.12). Ny milaza hafatra marina dia tsy ilaozam-pahavalo. Tsy tokony hampihemotra hilazana ny marina anefa izany. Koa herezo, fa ny Tompo manamarina ny teninao sy amin’izay anirahana anao.

« Mandehana ka maminania amin’ny Israely oloko » (and.15). Tamin’ny asa faminaniana dia tsy niasa irery i Amosa. Raha nandre ny hafatr’ i Amosa ny Israelita dia nibebaka ka nanompo an’Andriamanitra niaraka taminy. Tsy nahoany ny sakana izay nataon’i Amazia izay nilaza fa fikomiana izao ataon’i Amosa izao, tsy nampihemotra azy izany. Nampangaina izy fa hoe resaka fitiavam- bola no anaovany ny asan’Andriamanitra. Tsy nihemotra izy fa nijoro hatrany tamin’ny fahamarinan’izay nifidy sy naniraka azy, ary nanambara ny hafatra nampitondraina. Natombony tamin’ny teny hoe: « Izao no lazain’i Jehovah ». Mba ho toy izany koa anie ny olom-boaantso, handeha tsy hanam-pihemorara sy ho vavolombelon’i Jeso Kristy; vonona hitondra ny hafatra marina.

Vonona handeha ho irak’i Jesoa Kristy ve ianao?