Ny finoan’ i Bartimeo jamba:

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Jolay 2025

Sal 25.1-6 / Hira l4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira547

Marka 10. 46-52
46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak'i Timeo. 47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko! 48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko. 49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy. 50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin'i Jesosy. 51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko. 52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.

Raha namakivaky ny tanana’i Jeriko i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hizotra ho any Jerosalema, dia indro i Bartimeo jamba, zanak’i Timeo nangataka teo amoron-dalana. Raha nandre an’i Jesoa nandalo izy dia niantso hoe: « Ry Jesoa zanak’i Davida ô! Mamindrà fo amiko » (and 47b). Ny antsoantso nataon’i Bartimeo jamba manoloana ny fandalovan’i Jesoa dia fanehoanam-pinoana avy ao anaty, anehoany fa mahay mamindra fo aminy sy manasitrana azy amin’izao fahajambany izao i Jesoa. Ny sasany dia mihevitra hoe manelingelina an’i Jesoa izao fihetsiny izao, kanjo tsy laitra nampanginina izy (and 48). Tsarovy fa raha tena olom-boaantso ho ao amin’ny Tompo isika dia tsy ho sakana ny handrosoantsika izay mety ho kilema ara-batana toy ny fahajambana.

Raha ny fiheveran’ireto manodidina mikasika an’ity jamba ity dia tokony tsy hiantsoantso momba an’i Jesoa izy satria jamba. Ary mety ho izany no nahatonga azy ireo hampangina azy. Fahitana ara-batana izany fa fahajambana ara-panahy. Nodisoan’i Jesoa ny fiheveran’ny sasany hoe tsy miraharaha izay mpangataka kely Izy. Neken’i Jesoa ny fangatahany, ary nomarihany manokana fa nampiasa finoana i Bartimeo (and.52). Raha ny fahitana ara-batana no ianteherana dia mety ho diso ara-panahy ihany. Mahita ny ao am-pon’ny olona Andriamanitra. Tazany teo amin’i Bartimeo ny finoana izay nampahiratra azy.

Mba mety jamba koa ve ny olom-boaantso?