Ny fiantsoana ny mpanompo mahatoky

Mofonaina anio: Talata, faha 22 Jolay 2025

(Sal 24.1-5 / Hira 18 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332)

2 Timoty 1.6-12
6 [Famporisihana an'i Timoty mba hamelona tsara ny fanomezam-pahasoavana azony avy tamin'Andriamanitra. ] Ary noho izany dia mampahatsiaro anao aho mba hamelomanao ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra, izay ao anatinao tamin'ny fametrahako ny tanako. 7 Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra, 9 Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola; 10 fa naharihary ankehitriny tamin'ny nisehoan'i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, Izay nahafoana ny herin'ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsi-fahalòvana mandrakizay; 11 ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra*. [* Na: [mpampianatra ny jentilisa] 12 Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy* mandra-pihavin'izay andro izay. [* Na: ilay zavatra natolony ahy]

Amin’izao tapany faharoa eto amin’ny bokin’i Timoty izao no anomezan’i Paoly teny fampaherezana an’i Timoty, izay napetrany handimby azy. Tsy kisendrasendra akory izany fa hatry ny fahagola; satria izao no voasoratra « Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomeny antsika tao amin’i Jesoa Kristy hatry ny fahagola » (and.9). Hatramin’ny fahazazana i Timoty no nampianarin-dreniny (Eonika) sy ny renibeny (Loisa) ny amin’ny fivavahana (2 Tim1.5; 3.15). Koa tsy mahagaga raha tonga mpiara-miasa amin’i Paoly amin’ny fitondram-piangonana izy. Tanora fanahy i Timoty raha ny taonany, saro-kenatra, ary tsy nanana fahatokisan-tena loatra, saingy Andriamanitra no efa nifidy azy hatramin’ny fahagolalsika koa dia efa nofidin’Andriamanitra, nantsoiny ho mpanompo mahatoky hatry ny fahagola fa tsy vao omaly. Ekeo ny antsony miantefa aminao.

I Paoly dia nanampy an’i Timoty tamin’ny asa fanompoana, ary nanome teny fampaherezana azy. Tandra vadin-koditra amin’ny fanompoana izay nekeny mantsy ny fahoriana. Ary satria miaritra fahoriana i Paoly amin’ny maha mpanompo azy, dia ampiomanina hisedra fahoriana toy izany koa Timoty noho ny amin’ny Filazantsara. Ny teny fampaherezana izay nomen’i Paoly Apostoly azy no hery hahavitany ny antsom-panompoany amin’izao andraikitra raisiny ho famaliany ny antso izao ka nanekeny ho mpanompo mahatoky.

Mba maharitra amin’ny asa fanompoana ve ianao?