Jesoa Kristy, ilay vato velona.
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Jolay 2025
(Sal 115.1-8 / Hira 470 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 3)
1 Petera 2.7-10
7 Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino; fa amin'izay tsy mino kosa "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano No efa tonga fehizoro" (Sal. 118.22), 8 "Ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka" (Isa 8.14); ary satria tsy nanaiky ireo, dia tafintohina tamin'ny teny izy, sady izany koa no nanendrena azy. 9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina" (Eks. 19.6), olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga; 10 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25).Jesoa Kristy, ilay vato velona.
1- Ho an’ny mpino:
Ambaran’i Petera eto fa i Kristy no ambony indrindra eo amin’ny rafitra ara-panahy ho an’ny mpino. Miainga amin’ny fisian’ny mpino isam-batan’olona ny fiaraha-monina eo amin’ny mpino, fa izay fototra iorenany kosa dia i Jesoa Kristy, izay averimberina eto amin’ny Soratra Masina hoe: « Fa i Kristy no vato fehizoro voafantina sady sarobidy« . Izy no vato fototra matanjaka izay azo antoka, ary tsy ho menatra na oviana na oviana izay matoky Azy. Miorina eo ambonin’ny vato fototra (vato velona) ny Fiangonana, dia i Jesoa Kristy, ary sarobidy ho an’ny mpino izany; « Koa ny fahatsarana dia ho anareo izay mino » (and.7). Koa satria mino isika, dia tsy ho voahozongozon’ny hafa, ny finoana efa lalim-paka ao anatintsika. Izy no vato fehizoro tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
2- Ho an’ny tsy mino:
Raha ho an’ny tsy mino kosa dia sakana ho azy ireo ny fahitany an’i Kristy izay toy ny vato tsy ilaina, vato mahatafintohina, vatolampy mahasolafaka (and.8). Tsy mino izy ireo, ka dia ho tafintohina amin’ny Teny, ary tsy afaka ny hahita ny tena asan’i Jesoa ireo tsy mino ireo, noho ny fandavany tsy hanaraka ny hafatr’i Jesoa Kristy ilay vato velona. Ry havana, mazava ho azy ary tsy azo iodivirana fa ho tafintohina sy hianjera izy ireo, izany no fiafaran’ny fiainany. Ny tsy finoana no manjaka sy manapaka mandrakariva eo amin’ny fiainany. Aza mba ho anisan’ izay tsy mino!
Fanontaniana :
Fantatrao ve Jesoa Kristy izay inoanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe