Ny Teny ny amin’ny Hazofijaliana

Mofonaina anio: Zoma, faha 18 Jolay 2025

(Sal 147/ Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 95)

1 Korintiana 1.18-25
18 Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 19 Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan'ny mahalala (Isa. 29. 14). 20 Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin'izao tontolo izao? Tsy nampodin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? 21 Fa satria, na dia naseho aza ny fahendren'Andriamanitra*, ny fahendrena dia tsy nahatonga izao tontolo izao hahalala an'Andriamanitra, ka dia ny fahadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjeny izay mino; [* Na: Fa noho ny fahendren'Andriamanitra] 22 fa ny Jiosy mila famantarana, ary ny jentilisa* mitady fahendrena, [* Gr. Grika] 23 fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana, dia fahatafintohinana amin'ny Jiosy ary fahadalana amin'ny jentilisa*, [* Gr. Grika] 24 fa amin'izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa*, dia Kristy, Izay herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra. [* Gr. Grika] 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.

Tsy mitovy ny asetrin’ny olona ný hafatra momba ny hazofijaliana. Ho an’izay ho very (anisan’izany ny Grika manam-pahaizana sy ny Jiosy milaza ho mpivavaka), dia fahadalana tanteraka ny Hazofijaliana, satria noheverina ho maty voaozona izay nohomboana tamin’ny hazofijaliana (Deot 21.23; Gal 3.13). Nijaly tokoa izy ireny satria nalaim-baraka, noesoina, nofatorana, nokapohina tamin’ny karavasy hoditra (Isa 53.5). Mazána dia teny amoron-dalam-be ivelan’ny tanana no nanatanterahana izany. Fahadalana ho an’izay ho very tokoa izany, satria afa-baraka, meloka eo anatrehan’ny maro. Mandrakariva ny fanompoana an’Andriamanitra dia itondrana hazofijaliana. Andosiran’ny sasany tokoa izany satria tsy manaiky ny sainy, tsy te-ho voafehy noho ny amin’ny fijaliana nentin’i Kristy izy. Te hiliba amin’izao fiainana izao, fiainana tsy misy fitsipika. Ny fahaverezana no safidiny.

Isika olom-boaantso no handray ny famonjena avy amin’Andriamanitra, ka fiainana tanteraka sy feno fahamasinana avy amin’ny herin’Andriamanitra no azo amin’izany. Hamafisina eto izany (1 Kor 1. 1-2). Ny fanehoan’ Andriamanitra ny heriny dia mahatonga antsika olom-boaantso hanaiky sy hankato ny famonjeny. Hery ho antsika izany fa fahadalana ho an’izay ho very. Ny fiainam-pahamasinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina no sitrahan’ny olom-boaantso. Minoa ny teny amin’ny Hazofijaliana mba hananantsika hery tsy hay tohaina avy amin’Andriamanitra, ka hiadanantsika eo amin’ny fanompoana Azy.

Fifaliana sa fijaliana ny manaraka an’i Kristy?