Olom-boaantson’ Andriamanitra ny mpino
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 17 Jolay 2025
Sal 146.1-4 / Hira 167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731
Isaia 43,1 - 7
1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. 2 Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho; Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy; Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may, Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo; 3 Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Dia ny Iray Masin'ny Isiraely, Mpamonjy anao; Omeko ho avotrao Egypta, ary Etiopia sy Seba ho solonao. 4 Satria malala eo imasoko ianao, eny, be voninahitra ianao sady tiako, dia olona no omeko ho solonao, ary firenena ho solon'ny ainao. 5 Aza mahatahotra, fa momba anao Aho; Hitondra ny taranakao avy any atsinanana Aho, ary avy any andrefana no hanangonako anao; 6 Ny avaratra hilazako hoe: Avoahy, ary ny atsimo hoe: Aza hazonina; Alao ny zanako-lahy avy lavitra sy ny zanako-vavy avy any amin'ny faran'ny tany, 7 Dia izay rehetra antsoina amin'ny anarako sady nohariko ho voninahitro, dia izay noforoniko sy nataoko.Olom-boaantson’ Andriamanitra ny mpino:
1- Aza matahotra
Averimberin’ny mpanoratra eto amin’izao mofonaina izao ny teny hoe « aza matahotra ». Fantatr’Andriamanitra fa mety ho tonga amintsika ny tahotra, kanefa tsy tokony hatahotra isika na iza na iza, satria Andriamanitra momba antsika, mamonjy antsika amin’ny fotoan-tsarotra, sady loharanom-piadanana. Izay tsy fisian’ny tahotra izay dia mifandray tokoa amin’ny fahatsiarovana ny fiombonana amin’Andriamanitra, fa hoy ny voasoratra hoe « Aza matahotra hianao fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao » (and. Ib). Andriamanitra dia tsy manary na mandao ny mpanompony ao anatin’ny ady sarotra. Hery lehibe ho an’ny olom-boaantso ny fandrenesana ny Tenin’ny Tompo isanandro na aiza na aiza. Hoy Izy: « Aza matahotra! »
2- Homban’Andriamanitra ianao
Ambaran’ny Soratra Masina fa momba ny olom-boaantsony Andriamanitra. Tanteraka aminy tokoa izany, indrindra raha sendra ny sarotra tsy maintsy atrehina. Tanisain’ny mpanoratra eto ireo sehatra anehoan’Andriamanitra ny fombany: « raha mita ny rano », izay toa mampahatsiahy ny niampitana ny ranomasina mena sy ny ony Jordana (Eks 14.21-22; Jos 3. 14-17); « raha mandeha mamaky ny afo », ahatsiarovana ny tokin’i Daniela sy ny namany raha niatrika ny lafaoro misy afo mirehitra. Eo amin’izay noheverina fa hampihemotra na hahareraka ny olom-boaantso, dia momba ny mpanompony Andriamanitra. Noho izany dia matokia Azy amin’izay ady mafy tsy maintsy hatrehina, fa hoy Jesoa Kristy: « Indro Izaho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan ‘izao tontolo izao » (Mat 28.20)
Fanontaniana:
Inona avy ny tahotra efa nahazo anao, fony ianao nirahina hitory ny Filazantsara?
Sampana Sekoly Alahady Foibe