Ny olom-boaantso ao amin’i Kristy:

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Jolay 2025

(Sal 29.1.2 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489.1,3)

1 Tesaloniana 4. 1-8
1 [Fananarana ny Tesaloniana hitondra tena miendrika ny filazantsara] Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin'i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon'Andriamanitra - dia araka ny andehananareo ihany - no hitomboanareo bebe kokoa. 2 Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin'i Jesosy Tompo. 3 Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, 4 mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, 5 tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra, 6 mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin'izany*; fa ny Tompo no mpamaly ny amin'izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo. [* Na: amin'ny raharaha] 7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin'ny fahalotoana, fa amin'ny fahamasinana. 8 Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.

«… mba ho araka ny nandraisanareo taminay …» (and. 1)

Fony tany Tesalonika i Paoly Apostoly, dia nampianantra ny Fiangonana ny sitrapon’ Andriamanitra. noraisin’izy ireo tsara izany. Ary araka ny maha Apostolin’i Kristy azy no nampianaran’i Paoly izany. Ary izany no nampahatsiahivan’i Paoly teto. Araka izany. ampianarina ny olona aloha ny sitrapon’Andriamanitra; ary raha sendra manadino izany izy, dia ampahatsiahivina indray fa efa nisy fampianarana nomena azy. Ny olona efa nandre ny sitrapon Andriamanitra no ampahatsiahivina izany indray; mba hifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy tokoa ny fahalalana voarain’ny olona.

« mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’izany» (and. 6)

Tamin’ny andron’i Paoly, ny mponina tao Tesalonika dia tsy nahalala an’ Andriamanitra, maro no nilona tao anatin’ny fanompoan-tsampy. Tamin’izany fanompoan-tsampy izany no nisian’ireo firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Nananatra ny Kristiana tsy hanao izany ny Apostoly. Anarina ny mpino kristiana mba hiala amin’ny toetra tahaka izany, fa hanana kosa fahamasinam-pitondrantena co anatrehan’ny Tompo; tsy hobaikon’ny filana fa hahay mifehy ny tenany. Fa ny fahafehezan-tena amin’ny fanaovan-dratsy dia toetran’ny olona manana toetra manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

Ahoana no fomba ahafahana miaina ny fahamasinana?