Andriamanitra mifidy ny Jentilisa

Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Jolay 2025

(Sal 95. 1-5 / Hira 36 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 39 1, 2, 4)

Isaia 45,1 - 7
1 Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: 2 Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; 3 Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely. 4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. 5 Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao, 6 Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, 7 Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.

«Noho ny amin’i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao… » (and. 4)

Babo tany Babylona ny Jiosy. Nahatsiaro nalahelo satria nihevi-tena ho nafoin Andriamanitra. Mba hahafahana mamonjy azy ireo, dia nifidy an’i Kyrosy, mpanjaka jentilisa Izy hanafaka azy ireo amin’ny tanan’ny Babyloniana. Araka izany, mifidy olona tsy mino, jentilisa Andriamanitra mba hahazoany mamonjy ny vahoaka nofidiny. Ampaiasain Andriamanitra ny olona tsy mahalala ny anarany akory mba hahazoany manavotra ny olom-boafidiny. Ka amin’ny olana sy ny alahelo mahazo anao, Andriamanitra maniraka olona hamonjy antsika noho ny fitiavany ao amin’i Jesoa Kristy.

«Mba hahafantarana hatrany (…) fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, » (And. 6)

Nifidy an’i Kyrosy, mpanjaka jentilisa, Andriamanitra mba hanafaka ny Jiosy tany am-pahababoana. Izany no nataony mba hanehoana amin’izao tontolo izao fa manana ny fahefana rehetra Andriamanitra. Ka na ny olona tsy mino aza dia ampiasainy hanatanteraka ny sitrapony. Noho izany, tsarovy hatrany fa an’Andriamanitra ny fahefana ka ampiasainy ny zavaboariny rehetra ho tombontsoan’ny olom-boafidiny. Izany ilay fahefana nomena an’i Jesoa. Ary ny fisian’ny tsy mino manao ny asan’Andriamanitra dia fampahafantarana sy fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jesoa Kristy any amin’ny jentilisa.

Tanisao ireo famonjena efa nataon’ny jentilisa taminao?