Andriamanitra miantso ny olona…

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Jolay 2025

(Sal 101. 1-3 / Hira21.1, 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18)

Romana 9. 19-26
19 Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony? 20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao? 21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona? 22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, 23 mba hampahafantarina koa ny haren'ny voninahiny amin'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra, 24 dia isika izay nantsoiny koa, tsy ny avy amin'ny Jiosy ihany, fa ny avy amin'ny jentilisa koa, 25 araka izay lazainy eo amin'i Hosea hoe: Hiantso ny tsy oloko hoe oloko Aho; Ary ilay tsy malala hoe malala (Hos. 2. 25); 26 Ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, Dia any no hiantsoana azy hoe zanak'Andriamanitra velona (Hos. 2. 1).

«Andriamanitra …dia be fahari-po ka nandefitra tamin’izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana, » (And. 22)

Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahamarinana. Samy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny ataony avokoa ny olona tsirairay. Ny olombelona rehetra dia mendrika ho faty avokoa, kanefa Andriamanitra miantra azy. Mpamindra fo Andriamanitra. Miala nenina Izy aloha, izay vao tezitra. Ka ny famindrampo no mialoha ny fahatezerany. Andriamanitra Mpanavotra Izy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ary indraindray aza día ampiasainy ny ratsy mba hahatanteraka ny fanavotany ny olona nantsoiny. Ary izany no nanomezany an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra izay mino.

«…mba hampahafantarina koa ny haren’ny voninahiny amin’izay fanaky ny famindram-po … » (And. 23)

Ambaran’i Paoly Apostoly fa omanin’Andriamanitra mialoha ho amin’ny voninahiny ny olona izay nofidiany. Ka ny hetsika rehetra ataon’Andriamanitra dia ho fitaizana ny olona hiroso hatrany ho amin’izany voninahitr’ Andriamanitra izany. Fikasana manokana ao amin’ Andriamanitra izany. Ka ny voninahitra eto, dia mifanohitra amin’ny fahaverezana. Manomana mialoha ny fiainana sy fahasambarana mandrakizay ao amin’ny fiombonana Aminy, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Andriamanitra. Ka ny famindrampo dia fanomanana ny olom-boaantso handova fiainana mandrakizay.

Ahoana ny fiomananao handova ny fiainana mandrakizay?