Ny Tompo, miantso olona

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Jolay 2025

(Sal 134, 1-3 / HF11 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira790)

Asan'ny Apostoly 13. 1-5
1 [Ny nandefasana an'i Barnabasy sy Saoly ho misionera, sy ny nampianarany tao Kyprosy] Ary teo amin'ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka) ary Saoly. 2 Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy. 3 Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. 4 Ary rehefa nirahin'ny Fanahy Masina izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy. 5 Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin'Andriamanitra teny amin'ny synagogan'ny Jiosy; ary nitondra an'i Jaona koa ho mpanampy azy izy.

«Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masina» (and. 2a)

Nandritra ny fanompoam-pivavahana sy fifadian-kanina nataon’ny Fiangonana tany Antiokia no nitenenan’ny Fanahy Masina ny hanokanana an’i Barnabasy sy Saoly. Ny Fiangonana no itenenan’ny Fanahy Masina momba ny olona izay nantsoiny. Araka izany ary, ny Fiangonana ihany no mandray hafatra avy amin’ny Fanahy Masina. Ary ao anatin’ny fanompom-pivavahana no andraisana ny hafatra avy amin’ny Fanahy Masina. Ka ny hafatra avy amin’ny Fanahy Masina, dia izay ambaran’ny Fiangonana.

«Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy. » (And. 3)

Barnabasy sy Saoly dia efa nanompo sy nanana ny fanomezam-pahasoavana teo amin’ny Fiangonana tany Antiokia. Ka ny fametrahan-tanana azy ireo eto dia midika ho fanomezana fahefana azy ireo hanitatra ny fanompoana sy ny fanomezam-pahasoavany avy. Noho izany, ny olona efa manompo eo anivon’ny Fiangonana no atokana amin’ny anaran’Andriamanitra sy irahin’ny Fiangonana. Ka ny hery avy amin’ Andriamanitra sy ny Fiangonana no ampiasaina entina miatrika ireo fahasahiranana mety mitranga amin’ny asa fanompoana niantsoan’ny Tompo. Koa aza manira-tena fa miandrasa fanokanana fa hery hiatrehanao ny asa izany.

Inona avy no tokony hatao hanitarana ny asa fanompoana?


Mofon'aina teo aloha

Ny olom-boaantson’ny Tompo

Asabotsy, 5 Jolay 2025

Ny olom-boaantson’ny Tompo 1- Miady ho an’ny finoana « Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazóny…

Ny Tompo, mifidy olona hirahina…

Alarobia, 2 Jolay 2025

Ny Tompo, mifidy olona hirahina… 1- Mifidy araka ny ikendreny azy « Mandehana, fa fanaka…

Andriamanitra mifidy ny vahoakany

Talata, 1 Jolay 2025

Andriamanitra mifidy ny vahoakany 1- Manome toky azy «Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;…