Ny olom-boaantson’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Jolay 2025

(Sal125.1-5 / Hira 7 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 639.1,2,4)

1 Timoty 6,11 - 16
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.

« Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazóny ny fiainana mandrakizay… » (And. 12)

Baiko no omen’i Paoly Apostoly mba hiadiany ny ady tsara. Ady atao amin’ny fanekena hiaritra ny mafy mba hahazoana manohitra ny faharatsiana, ka hirosoana amin’ny fahatsarana rehetra (and. 11). Baiko tsy maintsy hirosoana amin’ny finoana. Tsy finoana mandalo anefa fa finoana maharitra. Araka izany, ady sarotra sy mitohy ny fialàna ao amin’ny faharatsiana ho amin’ny fitadiavana toe-panahy araka an’Andriamanitra. Tsy efan’ny ezaka ataon’olombelona manokana koa anefa izany, fa mitaky finoana. Amin’ny finoana irery ihany no handresena amin’ny ady atao eto.

«…ho amin’izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ny vavolombelona maro.» (And.12)

Ampahatsiahivin’i Paoly Apostoly eto ny fotoana izay nanaovana batisa an’i Timoty. Ny Fiangonana voalohany dia namerimberina ny fanekem-pinoana hoe « Jesoa no Tompo » na tamin’ny tenany na teo imason’ny vavolombelona. Araka izany, manonona fanekem-pinoana an’i Jesoa ny olona izay mahatsiaro fa voaantso. Ary izany no mahatonga antsika manao ireo karazana fanekena samihafa mba hanehoana ny maha olom-boaantso antsika. Ary amin’izany no ampahatsiahivana anao indray: ataovy tsara, tonony mafy ireny fanekena ireny satria famaliana ny antson’ny Tompo.