Ny olona nandray filazantsaran’i Kristy

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Jolay 2025

Sal 30.1-5 / HF7.1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 489 1,2

1 Tesaloniana 2. 1-12
1 Fa ny tenanareo, ry rahalahy, dia mahalala fa tsy foana ny fidiranay tat? aminareo; 2 fa rehefa nampahorina sy nisetrasetrana tany Filipy izahay teo aloha, tahaka ny fantatrareo ihany, dia sahy tao amin'Andriamanitray izahay hiteny taminareo ny filazantsaran'Andriamanitra, na dia be aza ny fanoherana. 3 Fa ny fananaranay dia tsy avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny soloky. 4 Fa tahaka ny nankasitrahan'Andriamanitra anay, ka notolorana ny filazantsara ho adidinay izahay, dia araka izany koa no itenenanay, tsy toy ny mila sitraka amin'olona, fa amin'Andriamanitra, Izay mizaha toetra ny fonay. 5 Fa tsy nanao teny mandrobo akory izahay na oviana na oviana, tahaka ny fantatrareo ihany, na nihatsaravelatsihy hanafina fieremana (Andriamanitra no vavolombelona); 6 ary tsy nitady voninahitra tamin'olona izahay, na taminareo, na tamin'ny sasany, na dia nanam-pahefana hahavaky tratra aza izahay, araka izay mah'Apostolin'i Kristy anay,. 7 Fa nalemy fanahy teo aminareo izahay, tahaka ny reny mitaiza ny zanany naterany, 8 dia toy izany no nahazoto anay, noho ny fitiavanay anareo indrindra; hanome anareo, tsy ny filazantsaran'Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo. 9 Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman'alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran'Andriamanitra taminareo. 10 Hianareo no vavolombelona ary Andriamanitra koa fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino, 11 toy ny fantatrareo fa tahaka ny ray amin'ny zanaka no namporisihanay sy nampiononanay anareo isam-batana sy nananaranay mafy anareo, 12 mba handehananareo miendrika an'Andriamanitra, Izay miantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny.

«…hanome anareo, tsy ny filazantsaran’Andriamanitra ihany, fa ny ainay koa aza, satria efa malalanay ianareo. » (and. 8). Sarobidy loatra tamin’i Paoly Apostoly ny iraka maha mpitory Filazantsara azy. Nanolo-tena ho amin’izany izy, eny mihoatra lavitra noho ny fitoriana ny Filazantsara aza, fa foiny mihitsy ny ainy mba hahatanteraka ny fiantsoana azy. Araka izany, ny iraka maha mpitory Filazantsara dia sarobidy tahaka ny fitiavana ireo itoriana ny Filazantsara. Ary ny iraka maha mpitory Filazantsara dia tsy asa atao fotsiny ihany akory fa ny maha izy azy ny mpitory filazantsara mihitsy. Tonga faniriana sy filana tsy hay tohaina ao anatin’ny mpitory Filazatsara ny hitondra hafatra sy fitiavana ho an’ ireo olona izay itoriana.

«… masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondran-tenanay teo imasonareo izay mino, » (And. 10)

Masina teo anatrehan Andriamanitra, marina teo anatrehan’ny fiarahamonina, ary tsy nanan-tsiny tamin’ny zavatra rehetra ny fiainan’i Paoly Apostoly teo anatrehan’ny Fiangonana tao Tesalonika. Fiainan’ny olona miaina sahady ny ao amin’ny fankan Andriamanitra izany. Izany toetrany izany no nitaomany ny Tesalonika. Araka izany dia modely halain-tahaka amin’ny toetra sy ny fomba fiainana ny mpitory Filazantsara. Ka ny toetrany eo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiarahamonina tsy misy tsiny no itaomany ny vahoaka hanaraka an’i Kristy. Izany no santatry ny fiainana any amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Inona amin’ny toetranao no manahirana ireo izay itoriana ny Filazantsara?