Ny Tompo, mifidy olona hirahina…

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Jolay 2025

Asan'ny Apostoly 9. 1-19

Asan'ny Apostoly 9. 1-19
1 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy 2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; 4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; 6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. 7 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. 8 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. 9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro. 10 Ary nisy mpianatra anankiray tany Damaskosy, atao hoe Ananiasy; ary hoy ny Tompo taminy tamin'ny fahitana: Ry Ananiasy. Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko. 11 Ary hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna, ka mandehana any amin'ny lalana atao hoe Imahitsy, ka izahao ao an-tranon'i Jodasy izay lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsosy; fa, indro, efa mivavaka izy; 12 ary izy efa nahita lehilahy atao hoe Ananiasy niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahiratra indray ny masony. 13 Ary Ananiasy namaly hoe: Tompoko, efa reko tamin'ny maro ny haben'ny ratsy nataon'izany lehilahy izany tamin'ny olonao masina tany Jerosalema. 14 Ary manana fahefanay koa avy tamin'ny mpisoronabe izy hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao. 15 Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; 16 fa hasehoko azy ny habetsahan'izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako. 17 Ary nandeha Ananiasy ka niditra tao an-trano, dia nametra-tanana taminy ka nanao hoe Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin'ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan'ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. 18 Ary niaraka tamin'izay dia nisy zavatra toy ny kiran'ny hazandrano niala avy tamin'ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa; 19 ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka. [Ny nitorian'i Saoly tany Damaskosy sy Jerosalema] Ary Saoly nitoetra andro vitsivitsy teo amin'ny mpianatra tany Damaskosy.

Ny Tompo, mifidy olona hirahina…

« Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny jentilisa » (And. 15)

Tenin’ny Tompo tamin’i Ananiasy izany. Nofidiana manokana i Saoly mba hahazoana manitatra ny Filazantsara any amin’ny Jentilisa sy ny manam-pahefana ary ny Isiraely. Fahasoavana sý fifidianana mikendry fampandrosoana ny Filazantsara no ataon’ny Tompo eto. Araka izany, tsarovy mandrakariva fa misy tanjona manokana tian’ny Tompo hokendrena amin’ny fifidianany anao; ary ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fampandrosoana ny Filazantsara. Amin’ny toerana rehetra izay misy anao: hitondra ny anaran’i Kristy, izany no ilana anao. Tanteraho izay efa nifidianana anao.

«… Naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao. » (And. 17)

Rehefa nihaona tamin’ny Tompo teo amin’ny lalan’i Damaskosy i Saoly, dia tonga jamba. Nirahin’ny Tompo i Ananiasy mba hampahiratra ny mason’i Saoly. Hanafaka an’i Saoly ho amin’ny tontolon’ny aizina ho amin’ny fahazavana no nanirahana an’i Ananiasy. Raha izany, ny olona efa miaina ao anatin’ny fahazavan’ny filazantsara no irahina hanafaka ny ao anatin’ny aizina, ho amin’ny fahazavana. Ilaina isika izay efa manana ny mazava mba hitondra fahazavana amin’ireo izay mbola ao anatin’ny aizina; ary indrindra handraisany ny Fanahy Masina. Ento ho eo amin’ny olona ny fahazavan’ny Filazantsara.