Ny fanompoana an’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Jona 2025

Sal 134 / Hira 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 452

1 Samoela 2.11-21
11 [Ny nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona. 12 Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah. 13 Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha* nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha] 14 dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao. 15 Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany. 16 Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny. 17 Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah. 18 Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy. 19 Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy. 20 Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady. 21 Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.

Ny zanakalahin’i Ely dia voalaza fa ratsy fanahy sady tsy mahalala an’Andriamanitra, nefa zanaka mpisorona. Zava-doza no nataony satria nandika ny fombam-pivavahana, izay lalàn’ Andriamanitra ny amin’ny fanatitra. Ilay anaran’ny rainy no nentiny nanapatra fahefana ka nanereny ny olona hanao ny tsy fanao. Tena fahotana teo anatrehan Andriamanitra izany ka nahatezitra Azy. Ny nataon’izy ireo dia nitarika ny olona hankahala ny fanatitra ho an’Andriamanitra; nihady lavaka hamorona elanelana eo amin’ Andriamanitra sy ny olona.

Ry havana, ankatoavy izay lamina amin’ny fanompoana. an’Andriamanitra ao anatin’ny Fiangonana mba handrosoan’ny mpino ary mba hahafaly an’Andriamanitra Tompo. Ny Soratra Masina dia manoro lalana mandrakariva amin’izay hatao.

Rehefa nandray valim-bavaka i Hana ka niteraka an’i Samoela dia natolotra hanompo an’Andriamanitra ny zanany. Tena nanompo i Samoela na dia mbola zaza aza, ary tena nanompo fa tsy nitaky na nitady tombotsoa manokana tahaka ny zanak’i Ely. Tao anatin’izany dia nanohana sy nikarakara azy ireo ray aman-dreniny mba hahatomombana ny fanompoany. Nasehony fa mpanompo mahatoky izy. Vokatr’izany dia novangian’ Andriamanitra indray i Hana ka niteraka dimy mianadahy. Tsy ny hiandrandra fahasoavana akory no hanompoana an’Andriamanitra fa ilay fanoloran-tena sy fahatokiana Azy no tena zava-dehibe. Koa tanteraho tsara ny fanompoanao Azy.

Eo amin’ny fanompoana, moa ve mitovy amin’i Samoela sa manahaka an’ny zanak’i Ely?