Mifikira amin’i Jesoa
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Jona 2025
Sal 23 / Hira 6.1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 19.1.2.3
Jaona 10. 11-21
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. 12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [*lopa] 13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. 14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, 15 dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. 16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. 17 Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. 18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko. 19 Ary nisy fisarahana indray tao amin'ny Jiosy noho izany teny izany. 20 Ary maro tamin'ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo? 21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin'ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?Taorian’ny nampahiratan’i Jesoa ilay jamba dia nanao fampahafantarana ny Tenany Izy, manoloana irco olona maro izay nanatrika Azy. Izao àry no hafatra: mifikira amin’i Jesoa fa:
1. Izy Ilay Mpiandry tsara (and.11-13)
Mampahafantatra ny Tenany Izy amin’ny maha Mpiandry tsara Azy, satria maro ireo mpiandry hafahafa, mpikarama. Mitaona izay mihaino Azy Jesoa mba hanaiky ho isan’ny ondriny satria misy ny bibidia izay fahavalon’ny ondry, toy ny amboadía. Izy irery ihany no tena Mpiandry azo antoka satria ilay mahafoy ny ainy hainonjy ny ondriny. Ankehitriny dia maro be no milaza manavotra sy mamonjy, ary mampilendalenda ny olona fa mahay zavatra maro. Tsarovy fa iray ihany ny Mpamonjy día Jesoa velona, Ilay Mpiandry tsara. Voasoratra hoe: «ny devolv fahavalonareo dia mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany» (1 Pet.5,8b)
2. Fantany ny ondriny (And.14-16)
Ny tena mpiandry tsara ihany koa dia mahafantatra ny ondriny. Ny hoe mahafantatra mantsy dia midika fifandraisana lalina ary fifandraisana mitohy, ampitahain’i Jesoa amin’ny fifandraisany amin’ny Ray izany. Fantatry ny tena mpiandry ondry tsara ny filan’ny ondry tsirairay, eny hatramin’ny toetran’izy ireo ihany koa aza. Izany fifamatorana izany dia nosokafan’i Jesoa he an’ny rehetra ka nilazany fa misy ondry hafa koa andrasany izay maneho ilay famonjena ho an’ny rehetra.
Afaka mifaly isika rehefa manaiky sy mino fa i Jesoa no Mpiandry antsika satria fantany tsara izay mahasoa ny ondriny.
Fanontaniana:
Tena manaiky ny fitarihan’i Jesoa ny fiainantsika ve isika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe