Jesoa Zanak’ondry: Fanavotana sy Fanjakana ho an’izay mino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Jona 2025
Sal 98.1-3 / Hira 4.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 485.1,4,5
Apokalypsy 5.1-10
1 [Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tet? an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. 4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. 5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. [* Gr. presbytera] 6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona* dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [* Gr. presbytera] 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [* Gr. presbytera] 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy.Fanambarana ny amin’i Jesoa ilay Zanak’ondry, hitondra famonjena sy fanafahana ho an’ny rehetra izay mino sy manaiky ny famonjeny no hitantsika anio. Minoa fa i Jesoa dia:
1. Nandatsaka ny ràny ho fanavotana antsika (and.9)
Ambaran’ity andininý ity eto fa ny fahatongavan’i Jesoa dia hitondra fanavotana ho an’ny rehetra. Tena zava-dehibe izany satria ny ainy no nafoiny, ary ny ràny no nalatsany. Tsy nanavahany na iza na iza izany, fa ny olona rehetra maneran-tany, izay manaiky hodioviny ao anatin’ny fahotana.
Sarobidy amin’ny Tompo izaho sy ianao satria nandatsahany ny rány. Koa aza misalasala intsony fa efa vitan’i Jesoa Kristy ny asam-pamonjeny, ary aza mitady mpanonjy hafa intsony fa Izy no Ilay tokana nirahin’Andriamanitra hanavotra antsika.
2. Manome antsika ny fanjakan’Andriamanitra (and.10)
Noho i Jesoa dia tonga fanjakam-pisorona ny Fiangonana, hany ka afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra tsy misy mpanelanelana avokoa. Araka izany, izay mandray an’i Jesoa dia manana fifandraisana feno amin’Andriamanitra, ka afaka manatona Azy amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny atao rehetra. Misokatra ho antsika ny fanjakan’ny lanitra, izay santarina dieny ety an-tany amin’ny alalan’izany fifandraisana izany.
Aza avela hisy hahasakana anao tsy ho isan’ny vahoakan’ny Fanjakany. Ho feno fifaliana ianao satria vahoakan’ny fanjakan’Andrimanitra, na mbola miaina ety an-tany aza.
Fanontaniana:
Nahoana ny olona mahafantatra tsy mety mino an’i Jesoa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe