Kendreo ny voninahitr’Andriamanitra, katsaho izay mahasoa

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Jona 2025

Sal 66,1-4 / Hira194.1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira787.1.4

1 Korintiana 10,31 - 11,1
31 Koa amin'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany. 32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan'Andriamanitra, 33 dia tahaka ahy koa manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin'ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany, fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy. 1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy.

Mampianatra ny Fiangonana i Paoly mba hijery izay mahasoa, fa tsy ho tafalatsaka amin’ny faharatsiana sy fanaranam-po. Zanak Andriamanitra isika, noho izany:

Feran’ny Soratra Masina tsara ny Kristiana tany Korinto mba tsy hiray latabatra amin’ny demonia. Andriamanitra mahery sy saro-piaro Andriamanitra. Ka izay zanany tokoa dia manalavitra tanteraka ny sampy na ny demonia. Fehezin’i Paoly fa izay rehetra atao dia hikatsahana ny voninahitr Andriamanitra. Na dia efa nafahana aza ny Kristiana dia tsy midika izany fa afaka manao izay tiany hatao, fa tsy maintsy manao kosa izay mifanaraka mandrakariva amin’ny sitrapon Andriamanitra.

Ny hetsika rehetra karakarain’ny Kristiana na ny Fiangonana dia tokony ho dinihina lalina vao tanterahina, sao sanatria mikendry zavatra hafa fa tsy ny voninahitr Andriamanitra.

Amin’ny fahalalan’ny olona an’ Andriamanitra sy ny Teniny, dia mety hişy ny fahadisoan-kevitra te hanao izay mahafinaritra azy fotsiny. Izany dia noho ny fahafantarana sy fandikana diso ny Soratra Masina. Raha miresaka ny fahalalahana sy ny finoana dia matetika heverin’ny olona fa azo atao avokoa ny zavatra rehetra. Eto anefa i Paoly milaza mazava fa isika Kristiana dia olona mikatsaka izay mahasoa hatrany, tsy ny soa ho an’ny tena irery fa ny soa iombonana araka ny sitrapon’ny Tompo. Toe-tsaina tsara iainana mba hijoroana vavolombelona izany.

Inona avy sakana fantatrao mahatonga ny Kristiana tsy hikaroka izay mahasoa ao amin’ Andriamanitra?