Fitiavana mandrakizay sy Andriamanitra Tsitoha

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 26 Jona 2025

Sal 33.12-22 / Hira 6.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 734

Malakia 1. 1-5
1 [Ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra ny Isiraely, sy ny nanamavoan'ireny ny anarany sy ny fombam-pivavahana aminy] Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah nampitondrainy an'i Malakia ho amin'ny Isiraely. 2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako, 3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia* any an-efitra. [Na: jakala] 4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo. 5 Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe* any an-koatry** ny tanin'ny Isiraely.[*Na: ho lehibe anie][Na: eny amin']

Andriamanitra no miteny fa efa tiany ny vahoakany. Ary mbola tsy niova io fitiavan’Andriamanitra io. Matetika anefa dia tsy tsapan’ny olona izany. Ny fifidianan’Andriamanitra an’i Jakoba hatrany am-bolohany dia fitiavan’Andriamanitra manokana. Na dia toa ratsy toetra aza Jakoba, eny fa na dia nihodina matetika tamin Andriamanitra aza ny Zanak’Isiraely dia mbola nitía azy ireo hatrany ny Tompo. Ny fitiavan’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay. Hoy ny Tompo: << Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao >> (Jer.31,3b). Ry havana, mbola fitiavan’Andriamanitra hatrany no namezany an’i Jesoa izay nanaiky ho faty noho ny fahotantsika. Tiany ny olona ka novidiany ary natsangany ho zanany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba ho mpandova ny fanjakany.

Edoma hanarina fa Izy Andriamanitra handrava. Izany fandravana izany dia vokatry ny faharatsiana izay niteraka fahatezan’ Andriamanitra. Asehony fa Tsitoha Izy ka tsy azo sakanana amin’izay ataony, satria marina mandrakizay Izy. Ny firenena avy amin’ny tarank’i Jakoba ho karakarainy fa ny an’i Esao kosa dia fandravana.

Raha te ho tafarina ny firenena, miaina ao anaty fahasahiranana dia mila mandositra ny fahatezeran’Andriamanitra. Miaina amin’ny fahamarinana ka miala amin’ny karazana kolikoly rehetra. Izay ankasitrahan’ Andriamanitra irery ihany no atao fa tsy izay mahafinaritra ny nomena fahefana. Ary izay tena zava-dehibe dia ny miverina amin’ny fivavahana marina amin’Andriamanitra fa tsy manandratra ny fanompoan-tsampy.

Tsapanao ve ny fahalebiazan’ny fitiavan Andriamanitra anao?