Miomàna sy manatanterà ny andraikitrao mandra-piverenan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Jona 2025

Sal 100 / Hira 12.1,5 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18

Lioka 12.35-40
35 Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36 ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin'ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin'izay. 37 Sambatra ny mpanompo izay ho hitan'ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38 Ary na avy amin'ny fiambenana faharoa amin'ny alina izy, na avy amin'ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39 Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian'ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40 Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo.

Manao fanoharana momba ny fihavian’ny andro hiverenany i Jesoa, izay tampoka sy tsy ampoizina. Hiverina Izy amin’ny fahefana ka:

Mampiseho ny endrika fahavonona hatrany ny hoe misikina sy mandrehitra jiro, tsy tafandry mandry fa miomana mandrakariva. Izao tontolo izao dia mitarika ny olona hankamamy ny tany ka tsy hibanjina ny fiverenan’i Jesoa. Vokany: ho maro ny zavatra mahavariana, saingy ny olona mahafantatra fa hiverina Jesoa dia miomana hatrany.

Tsy ny saina ihany anefa no omanina amin’izany fa mila aseho amin’ny alalan’ny asa izany. Koa asa tsara ho an’ny Tompo, fa tsy asa kitoatoa, mba hiteraka fahazavana tahaka ny jiro tsy hay takonana ka hiharihary ho hitan’ny rehetra. Hiverina, ary tsy maintsy hiverina ilay Tompon’ny fahefana koa miomana hatrany fa aza variana amin’ny fiainana mandalo.

Tsy ilay Tompo irery no faly eto, fa indrindra ilay mpanompo. Mahasambatra ny mahavita izay andraikitra napetraka taminy satria ilay Tompo indray no te hanome fahafaham-po ny mpanompony. Tena mivadika mpanompo indray Izy ka manome izay tsara, mitondra fanavotana, mametraka ilay mpanompo eo amin’ny toeram-boninahitra izay efa nomaniny ho azy.

Tsy kisendrasendra ny nametrahan’ny Tompo ny tsirairay eo amin’ny toerana mísy azy. Aoka samy hanao zava-dehibe izay andraikitra eo am-pelatanany avy. Tanteraho ny andraikitrao mba hahafaly ny Tompo sy hahasambatra anao.

Manao ahoana ny fiomananao ny fiverenan’ny Tompo indray?