Jereo ny asan’Andriamanitra ka matokia ny Mpanjaka mandrakizay
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Jona 2025
Sal 95.1-5 / Hira 171.1.2 / Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira512.1.2
Salamo 66.5-7
5 Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona. 6 Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin*'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin'] 7 Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.1. Jereo ny asan’ Andriamanitra (and.5)
Ity andininy ity dia manasa ny olona handeha hijery ny asan’Andriamanitra, izay mahagaga sy mampahatahotra noho ny fiantraikany amin’ny olombelona. Rehefa miteny Izy dia tanterahany izany. Raha nilaza tamin’ny vahoakany Izy fa hanafaka azy tany Egypta dia tamin’ny fomba mahagaga no nanatanterahany izany. Tonga mba hamonjy izao tontolo izao i Jesoa Kristy, ary ny finoana Azy no tena asan’Andriamanitra.
Mila mijery ny asan’Andriamanitra isika mba hatoky Azy amin’ny fotoana sarotra sy hamelomana ny fanantenana indray.
2. Mifalia amin’ny fahasoavany (and.6)
Mamerina ao an-tsaina ny fanafahana tany Egypta sy ny fandalovana ny reniranon’i Jordana ity andininy ity. Izany zava-nitranga lehibe teo amin’ny tantaran’Isiraely izany no niteraka fifaliana ho azy ireo, tena fahasoavan’Andriamanitra tokoa. Tsapan’izy ireo ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra nanampy manoloana ny fahavalo, Feno fifaliana izy ireo rehefa tafita. Ny fifaliana sy ny fankalazana dia mariky ny fahatsiarovana ny asan’Andriamanitra. Koa aoka isika ho vavolombelona amin’ny hafa momba ny asa sy ny fitahian’Andriamanitra.
3. Matokia Ilay Mpanjaka mandrakizay (and.7)
Mampahatsiahy ny Soratra Masina eto fa Andriamanitra dia mifehy izao rehetra izao amin’ny heriny mandrakizay. Mananatra ireo miavonavona sy tsy manaiky ny fahefany Izy. Noho izany. afa-tahotra amin’ny asan’ilay ratsy ny olona matoky Azy satria Izy no Mpitondra. Andeha hatoky Ilay Mpanjaka mandrakizay satria izay mivadika aminy dia tsy hahita fahombiazana mihitsy, fa Izy no Tompon’ny fahefana.
Fanontaniana:
Tsaroanao ve asan ‘Andriamanitra teo amin’ny flainanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe