Ny hiran’ny fahafahana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Jona 2025

Sal 136.1-15 / Hira 16.1.3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 701.1,3

Eksodosy 15, 1-18
1 [Ny fihirana nataon'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa tafita ny Ranomasina Mena izy] Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an'i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an'i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin'ny ranomasina. 2 Jehovah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. 3 Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. 4 Ny kalesin'i Farao sy ny miaramilany natsipiny ao amin'ny ranomasina; ary ny kapiteny voafantina nasitrika ao amin'ny Ranomasina Mena. 5 Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy. 6 Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo. 7 Amin'ny halehiben'ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo. 8 Ary ny fofonain'ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan'ny ranomasina ny lalina. 9 Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako. 10 Ny fofonainao no nitsofanao, dia nanarona azy ny ranomasina: nilentika tahaka ny firaka ao amin'ny rano mahery izy. 11 Jehovah ô, iza moa no tahaka Anao amin'izay andriamanitra? Iza moa no tahaka Anao, Izay ankalazaina amin'ny fahamasinana, deraina amin'ny fahatahorana, Mpanao fahagagana? 12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia nitelina ireo ny tany. 13 Tarihinao amin'ny famindram-ponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin'ny herinao ho any amin'ny fonenanao masina izy. 14 Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia; 15 Toran-kovitra ny loham-pirenen'i Edoma; azon-korohoro ny lehilahy maherin'i Moaba; reraka ny fon'izay rehetra monina any Kanana. 16 Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben'ny sandrinao dia mangina tahaka ny vato izy. mandra-pandalon'ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon'ny olona izay navotanao. 17 Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin'ny tendrombohitra lovanao, ao amin'ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin'ny fitoerana masina naorin'ny tananao, Tompo ô. 18 Jehovah hanjaka mandrakizay doria.

Ny hiran’ny fahafahana

Midera sy mankalaza ary manandratra an’Andriamanitra noho ny fahalehibeazany i Mosesy sy ny Zanak’Isiraely rehefa nandresy ny tafika Egyptiana. Nasehon’Andriamanitra fa mpiady mahery Izy, ary tsy hay tohaina. Miady ho an’ny olony Izy ka ringana tanteraka ny tafik’i Farao. Rehefa hanafaka Izy dia tsy misy mahasakana Azy satria Tompon’ny hery sy fahefana. Vao tafita ny ranomasina dia nidera Azy ny olona. Ry havana, rehefa tafita amin’ny toe-javatra sarotra dia aza mangataka andro fa avy hatrany día isaory ny Tompo Andriamanitra ilay naneho ny heriny ka nampandresy anao.

Ao anatin’izao hira izao no ilazana fa tokana Andriamanitra ary tsy misy toa Azy. Raiki-tahotra ny firenena manodidina satria tsy toy ny andriamaniny ny Andriamanitry ny Isiaely. Ao anatin’izany no ahatsiarovan’ny mpihira fa famindrampon’ny Tompo no nitantana ka nanavotra azy ireo. Famindrampo izay midika ho fitiavan’ Andriamanitra mafy orina sy tsy miova. Vokany: manana fanantenana ny amin’ny ho avy izy ireo, ka mino fa hoentin’ Andriamanitra ao amin’ny tanana izay nampanatenaina; tanana iorenan’ny toerana masina, dia ny Tempoly tao Jerosalema izany. Ny fijoroan’ny Tempoly dia manambara ny fanjakana sy ny fiandrianan’ Andriamanitra izay ho mandrakizay. Noho izany. azon’izy ireo antoka ny hoaviny. Izay mino ny Tompo dia manantena fa hanana anjara ao amin’ny fanjakany rahatrizay, ao Jerosalemana vaovao.

Mba mameno ny fiainánao ve ny fiderana an Andriamanitra?