Ny hery sy fahefan’Andriamanitra.
Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Jona 2025
Sal 118.1-4 / Hira7.1,2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.12
Genesisy 1. 1-13
1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany. 6 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan'ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin'ny rano izy. 7 Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin'ny habakabaka tamin'ny rano ambonin'ny habakabaka; dia nisy izany. 8 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany. 9 Ary Andriamanitra nanao hoe : Aoka hiangona ny rano eny ambanin'ny lanitra ho eo amin'ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany. 10 Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 11 Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin'ny tany; dia nisy izany. 12 Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. 13 Dia nisy hariva. ary nisy maraina, andro fahatelo izany.Ny hery sy fahefan’Andriamanitra.
1. Mampisy ny tsy nisy
Voalaza amin’izao Soratra Masina izao fa Andriamanitra no Mpahary. Izany hoe zavatra mbola tsy nisy avokoa no noforoniny. Ary niainga tamin’ny tsy misy Izy satria na ny tany sy ny lanitra aza dia Izy no namorona Azy (and.1). Miverimberina ihany koa ny teny hoe « misia » sy <aoka». Ireo teny nampiasain’ Andriamanitra ireo dia teny mibaiko, feno hery sy fahefana ka izay tononiny aorian’ireo dia tanteraka avokoa araka izay nanambarany Azy. Ry havana, ny Tenin’Andriamanitra Mpahary no namoronana izao rehetra izao ho tonga nisy. Koa ifikiro ny Tenin’ny Tompo fa marina mandrakizay ary tsy mety levona ka hitondra fahariana vaovao eo amin’ny fiainantsika izay mino Azy.
2. Mikendry ho amin’ny fahatsarana
«Ary hitan Andriamanitra fa tsara izany ». Fehezanteny miendrika fiverenana izany raha oharina amin’ny hira: rehefa avy miteny Andriamanitra ary miaraka amin’ny asa avy hatrany izany, dia io fehezanteny io hatrany no fahitany izay nohariany rehetra. Tsara Andriamanitra ary tsara ihany koa ny Teniny. Vokany: tsara ny asany. Ny asan’Andriamanitra araka izany dia mihevitra sy manao izay tsara eo amin’izao tontolo izao. Ry havana, izay rehetra ambaran’Andriamanitra ka tanterahiny, na mety na tsy mety amin’ny fijery maha olombelona, dia tsarovy fa mikatsaka sy mikendry izay mahasoa antsika hatrany.
Fanontaniana:
Hita eo amin’ny fainanao ve ny fahatsaran Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe