Jesoa Velona, Mendrika, ary Ho avy indray

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Jona 2025

(Sal 150.1-6 / Hira207: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 12:1)

Apokalypsy 1.1-8
1 [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, 2 Izay nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy Kristy, dia ny zavatra rehetra izay efa hitany. 3 Sambatra izay manaiky sy ny mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny andro. 4 Jaona mamangy ny fiangonana* fito any Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy amin'ny Fanahy fito izay eo anoloan'ny seza fiandrianany; [* Gr. eklesia] 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr. nanasa] 6 sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an'Andriamanitra Ray,- ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. 7 Indro Izy avy amin'ny rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin'ny tany. Eny, Amena. 8 Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.

Bokin’ny fanantenana ny bokin’ny Apokalypsy (sy ireo antsoina hoe Soratra Apokalyptika, tahaka ny bokin’i Daniela sy ny hafa koa), ary nentina nampahery ny Kristiana niatrika fanenjehana mivaivay mba hihazonan’izy ireo ny finoany

Ny Fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy, mba hasehony amin’ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin’i Jaona mpanompony ». lo teny hoe fanambarana io dia midika hoe fanehoana ny zava-miafina tsy fantatra hatramin’izay. Ary io no midika fa velona i Jesoa, fa ny maty tsy afaka maneho na mampahafantatra na inona na inona. Jesoa velona no ivavahantsika, fa tsy andriamanitra maty!

…ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. >> hoy ny Apostoly Jaona; io fanomezam-boninahitra io dia mifamatotra amin’ny halehiben’ny fitiavan’i Jesoa antsika sy ny nanavotany antsika ho afaka tamin’ny fahotantsika ka nanekeny handatsaka ny rany ho famonjena antsika. Rariny izany, fa tsy misy olona vonona ho faty hisolo anao, i Jesoa ihany no nahavita izany.

Indro Izy avy amin’ny rahona, ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia izay nandefona Azy aza; ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, Amena. ». Azo antoka ny fiverenan’i Jesoa, ary tsy hisy ho afa-mandositra izany, fa tsy maintsy hahita Azy. Ny hoe avy amin’ny rahon’ny lanitra dia midika fa miara-mahita izao tontolo izao fa tsy tahaka ny lazain’ny sasany hoe; ary i Kristy. Koa mba tsy ho ranomasom-panenenana no hahitanao Azy dia mibebaha ka miambena.

Manao ahoana ny fahavononanao amin’ny fiavian i Jesoa?