Andriamanitra Tsitoha: Mamonjy sy Mampiasa ny Voafidin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Jona 2025
(Sal 136. 1-9/Hira 12: 1/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 3: 1)
Isaia 45,1 - 8
1 Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady: 2 Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy; 3 Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely. 4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao. 5 Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao, 6 Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa, 7 Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany. 8 Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.Ao anatin’ny antsoina hoe Isaia faharoa (Isa 40 – 55) ny mofonainantsika; izay miresaka momba ny fiainan’ny Jiosy tany am-pahababoana. Mampianatra antsika àry ny Soratra Masina eto fa tsy azo ferana Andriamanitra fa rehefa Izy no miditra an-tsehatra mamonjy ny olony, na ny Jentilisa aza:
1. Ampiasainy (and 1)
<< Izao no lazain’i Jehovah amin’ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany… ». Mahavariana fa eto dia ampiasaina amin’i Kyrosy, ny hoe voahosotra na Mesia (Hebreo) na ihany koa Kristy (grika), izay anondroana ny voafidin’Andriamanitra hitondra fanavotana. Ity Kyrosy ity no nandresy ny Babyloniana ary namoaka didy tamin’ny taona 539 mba hamelana ny Jiosy hody, ary mbola nandidy izay tanàna rehetra lalovany mba hampitondra zavatra entin’ny Jiosy manorina indray ny Tempoly.
2. Ombany hahatanteraka ny fikasany (and 2)
<< Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy ». Miantefa amin’i Kyrosy ity fampanantenana fiarovana ny fombana ity; mba hahatanteraka ny famonjena sy ny fanafahana ny Jiosy avy any am-pahababoana araka ny efa voalamin’ Andriamanitra!
3. Ampanekeny ny maha Tsitoha Azy (and 5)
<< Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao ». Taomin’ Andriamanitra hanaiky Azy ity mpanjaka Jentilisa ity, ary valiany soa aza noho ny fankatoavany sy nenekeny ho fitaovana eo am-pelatanany. Tompon ‘ny fahefana Andriamanitra! Tsy azo ferana ny asany.
Fanontaniana:
Ahoana no hahazoana milaza fa Tsitoha Andrimanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe