Matokia amin’ny Andriamanitra na misy fahavalo

Mofonaina anio: Talata, faha 03 Jona 2025

Sal 92.5-9/Hira 171: 1/Mofonaina/Vavaka/ Hira 234: 1

Mika 4. 11-14
11 Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka* Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina] 12 Kanjo tsy fantatr'ireny ny hevitr'i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. 13 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao* ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema] 14 Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.

1. Ny fahavalonao tafangona hamely (and 11a)

<< Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro >> hoy ny voasoratra. Ny firenena maro ambara eto, dia ny Kaldeana sy ny mpiara-dia aminy hoy ny mpandinika sasany, ary ny fanjakana maromaro manodidina azy ka mankahala ny Jiosy kosa hoy ny hafa, fa ny iombonany dia izao, samy te hanao angaredona hamely an’i Joda avokoa. Moa tsy tahaka ny fiombonan-dratsin’ny mpanora-dalana sy ny Fariseo hamelezana an’i Jesoa va? Mety hahazo antsika ihany koa izany, kanefa aza taitra na maika hamaly!

2. Ny fahavoazanao no tiany ho fijery (and 11b)

« Aoka halam-baraka Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy >> hoy ny fanirian’ny fahavalon’ny Joda. Tsy zavatra mahagaga loatra izany, fa ny mahita ny henatra sy ny fahatorotoroanao no fifalian’ny fahavalonao, ary izay ataony dia hikatsahany izany hatrany. Nataon’i Farao tamin’ny zanak’Isiraely izany, nataon’ny Filistina tamin’i Samsona izany, nataon’ny Jiosy an’i Jesoa, mety hahazo anao mpino ihany koa, kanefa aoka tsy ho kivy ianao !

3. Fa ny Andriamanitrao tsy mamela anao ho irery

«Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitr’i Jehovah, Na azony ny fisainany: Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy. » (Mika 4:12). Tsy fantatr’ireo fahavalon’ny Jiosy ireo drafitr’Andriamanitra izany hanehoany famonjena ny voafidiny. Tsy misy tahaka an’i Jehovah (izany rahateo no dikan’ny anarana hoe Mika) tokoa, izay mpampandresy ny olony mitoky Aminy hatrany. Tsy hafa amin’izany ny namelan’ Andriamanitra an’i Jesoa hifantsika amin’ny hazofijaliana sy ho faty, mba hampandreseny azy ny fahafatesana! Matokia hatrany !

Fanontaniana:

Nahoana no tokony ho tony na misy fahavalo aza?

Sampana Sekoly Alahady Foibe