Andriamanitra be voninahitra sy velona Izy
Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Mey 2025
(Sal 138.1-3 / Hira3, 1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 460.1-2)
Salamo 47.1-9
1 [Fihobiana noho ny niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra. 2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy. 3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika. 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. 5 Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara. 6 Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. 7 Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo. 8 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina. 9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.Andriamanitra be voninahitra sy velona Izy
1- Mendrika ho deraina
Ny fiderana an’Andriamanitra dia meneho fa velona Izy ka afaka mandre sy mandray izany fiderana sy fihobiana Azy izany. Ny Andriamanitra velona ihany no atahorana. Ka ny asa rehetra ataony dia tokony, hanomezana voninahitra Azy hatrany satria mahasoa ny olon-drehetra izany. Maneho izany fahavelomana izany ny teny hoe: « mandresy firenena maro ». Andeha isika hidera an’Andriamanitra fa mendrika Azy izany.
2- Miasa sy mihevitra izay hahasoa ny olony
Velona Izy, azo ampitahaina amin’ ireo raiamandreny mbola velona, manan-janaka velomina sy ahiana izay mihevitra mandrakariva ny hahasoa ny zanany. Izany no hevitra fonosin’ny Soratra Masina manao hoe: « Mandresy ny firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ny tongotsika » (and3)..
3- Manapaka ny firenena rehetra
Andriamanitra mahery Izy, ary mpanao izao rehetra izao. Azy ny tany sy izay rehetra ao aminy; ary izany indrindra no ilazana fa « Mpanjaka amin’ny tany rehetra Izy » (and 7), ary « manjaka amin’ny firenen-tsamy hafa » (and 8). Na iza na iza mpitondra ety ambonin’ny tany dia mindrana ampahana fahefana avy Aminy. Fitiavan’ Andriamanitra ny firenena rehetra no anaovany izany. Tokony hanaiky izany fanjakan’Andriamanitra izany ny olona rehetra ka hanaja Azy.
Fanontaniana:
Tsapanao eo amin’ny fiainanao tokoa ve ny fahaveloman’ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe