Andriamanitra mihevitra ny vahoakany
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Mey 2025
(Sal 1.1-6 / Hira16.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 409.1-2)
Mika 3. 5-8
5 Izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina: 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin'i Jehovah, Mbamin'ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany.[Na:amin']Andriamanitra mihevitra ny vahoakany
Nampahalahelo an’Andriamanitra loatra ny vahoakany noho ny nafitsok’ireo olona milaza ho mpaminany, kanjo sandoka. Hany ka nandray ny andraikiny Izy:
1- Hampahamenatra sy hanafay ny mpaminany sandoka
Tao anatin’ny fahoriana lalina tokoa ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ny fotoana izay naminanian’i Mika. Nanampy trotraka izany ny nataon’ireo mpaminany izay nitady ny tombotsoany ka nilaza izay tiany ho lazaina sy izay tian’ny mpitondra ho re. Nisy ireo milaza fiadanana kanefa manaikitra amin’ny nifiny ary izay tsy ahazoan’izy ireo tombontsoa dia iantsoany ady hoy ny Soratra Masina. Saro-piaro amin’ny vahoakany Andriamanitra ka manafay ny mpaminany milaza lainga toy izany: nataon’Andriamanitra izay ahatonga azy ireo tsy hanan-kambara mba ho menatra. Aoka isika tsy hilaza lainga amin’ny anaran’ny Tompontsika.
2- Mampahery ireo mpaminany izay nofidiny sy nirahiny
Tsy ny manafay ihany nefa no hain’Andriamanitra fa ny mampahery ihany koa. Eto Izy dia mampahery an’i Mika amin’ny alalan’ny Fanahiny mba hahazoany manambara ny faminaniana marina avy amin’Andriamanitra ka hanambara ny heloka sy ny fahotan’ny Zanak’Isiraely. Mampahery antsika Fiangonana àry Andriamanitra mba hahasahiantsika milaza ny sitrapony marina tokoa, na dia hanelingelina ny olona sy hanafintohina azy aza izany noho ny fahotany.
Fanontaniana:
Izay nasain’Andriamanitra nolazainao tokoa ve no nolazainao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe